𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – 𝗩𝗒𝗔𝗩𝗔𝗛𝗔𝗑`𝗑𝗬 π—™π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” π—‘π—œπ—¦π—¬ π—§π—˜π—’ π—”π— π—œπ—‘`𝗑𝗬 π—¦π—˜π—›π—”π—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—™π—œπ—’π— π—£π—œπ—”π—‘π—”

178 0
Naravon`ny fanjakana mahefa ato anatin`ny faritra Sofia ny olana goavana nampisavorovoro sain`ny maro momba ny fiompiana omby ato anatin`ny distrikan`i Mandritsara. Niteraka resabe teto ny fahafatesan`ny omby rehefa diso fikarakrana tamin`ny famonoana biby kely manembatsembana omby (fihitra) Niafara tamin`ny fizarazaran`ny teo amin`ny olobe an-tanana ny olana nitranga.
Tsy nitazam-poana ny tompon`andraikitra avy amin`ny minisiteran`ny fambolena sy ny fiompiana fa nandefa iraka manokana. Tonga teto an-toerana ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana RAVOHITRA Donatien, omaly alarobia 12 martsa 2025, namaha olana ity niaraka tamin`ny Solombavambahoaka, Rasolomanana Beby Olivier, ny avy amin`ny fitsarana nahitana lehiben`ny mpampanoa lalΓ na, ny olom-boafidy, ireo solontenam-panjakana ary ireo sokajin`olona maro hafa no nanatrika izany Nantritanterin`ny mpandravona disadisa ity fa tsy misy tombontsoa azo amin`ny fizarazarana narahan`ny fanoherana sy fifampiantsiana tamin`ny olana nitranga ity. Nanamafy kosa ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Sofia fa fanatsarana ny fomba fiasa no ho amafisina indrindra ny tolotra sy ny tinady eo amin`ny mpiompy na mpamboly sy ny mpisehatra amin`ny fikarakarana fitsaboana biby sy ny kojakoja ilaina amin`ny asan`ny tantsaha.
Tsy izay ihany fa novelabelarina sady nampahafantarina ireo nanatrika ny lalΓ na mifehy ny fambolena sy ny fiompiana ary ny tontolony. Nanaiky lamina natao izao ireo voakasika, resy lahatra fa hanaraka ny sehatry ny maha matihanina ireto farany.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (π‘΅π’‚π’π’π’Žπ’† π’•π’π’Œπ’π’•π’‚π’π’š 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`π’π’š π’π’‚π’π’…π’‚π’“π’š π’•π’π’ƒπ’š π’π’š π’‡π’π’Œπ’π’π’π’π’π’π’‚ 𝒂𝒐 π‘¨π’Žπ’ƒπ’‚π’“π’Šπ’‘π’‚π’Šπ’Œπ’‚ 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…