MADAGASCAR – MANDRAY NY ANDRO AFRIKANINA FAHA-15 AN’NY SKOTISMA

424 0
Misokatra sy miditra an-dasy androany 12 Martsa 2025 ao amin’ny CNaPS Vontovorona ny Andro Afrikanina faha-15 an’ny Skotisma. Miara-mivory eto Madagasikara ireo skoto 400 avy amin’ny firenena afrikanina maro hifampizara sy hifampianatra amin’ny andraikitry ny tanora eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ireo hetsika lehibe:
✅ Lasy lehiben’ny tanora skoto afrikanina
✅ Fivoriana momba ny tontolo iainana
✅ Fampiofanana sy fifanakalozana
✅ Gala skoto
✅ Fivorian’ny Komity Afrikanina ho an’ny Skotisma
Dr RAMAROLAHY Safidy, na OKAPI Droit, Filoha miandraikitra ny fifandraisana iraisam-pirenena eo amin’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (FSM), milaza fa :
« Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ity. Manamafy ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fanovana sy ny fandriampahalemana izany. »
Ny skotisma dia lalam-piainana mampifandray ny tanora amin’ny soatoavina iaraha-manana: firaisankina, fifanampiana, fandraisana andraikitra. Manome lanja ny fihavanana, ny fifanajana ary ny fiainana mirindra amin’ny hafa. Mijoro ho mpandala ny fandriampahalemana isika, manorina Afrika iray matanjaka sy miray hina, ao anatin’ilay  » vivre-ensemble en paix »
Fampitam-baovaon’i Dr RAMAROLAHY Safidy

Related Post

MORIS MADA BUSINESS CONNECT:

Posted by - mai 29, 2026 0
« Efa an-taonany maro no nisian’ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena teo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Hatramin’izay anefa dia tsy nisy rafitra…

Voin-kava Mahatratra

Posted by - juin 18, 2024 0
Nitrangany hain-trano mahatsiravina tao amin’ny Fokontany Ambatamandey, kaominina Tanambao Daoud, Distrikan’i Sambava omaly Ka tsy niandry ela ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny…