MADAGASCAR – MANDRAY NY ANDRO AFRIKANINA FAHA-15 AN’NY SKOTISMA

166 0
Misokatra sy miditra an-dasy androany 12 Martsa 2025 ao amin’ny CNaPS Vontovorona ny Andro Afrikanina faha-15 an’ny Skotisma. Miara-mivory eto Madagasikara ireo skoto 400 avy amin’ny firenena afrikanina maro hifampizara sy hifampianatra amin’ny andraikitry ny tanora eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ireo hetsika lehibe:
✅ Lasy lehiben’ny tanora skoto afrikanina
✅ Fivoriana momba ny tontolo iainana
✅ Fampiofanana sy fifanakalozana
✅ Gala skoto
✅ Fivorian’ny Komity Afrikanina ho an’ny Skotisma
Dr RAMAROLAHY Safidy, na OKAPI Droit, Filoha miandraikitra ny fifandraisana iraisam-pirenena eo amin’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (FSM), milaza fa :
« Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ity. Manamafy ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fanovana sy ny fandriampahalemana izany. »
Ny skotisma dia lalam-piainana mampifandray ny tanora amin’ny soatoavina iaraha-manana: firaisankina, fifanampiana, fandraisana andraikitra. Manome lanja ny fihavanana, ny fifanajana ary ny fiainana mirindra amin’ny hafa. Mijoro ho mpandala ny fandriampahalemana isika, manorina Afrika iray matanjaka sy miray hina, ao anatin’ilay  » vivre-ensemble en paix »
Fampitam-baovaon’i Dr RAMAROLAHY Safidy

Related Post

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …