ANATIN’NY 3 ANDRO NY FANKALAZANA NY 8 MARTS HO AN’NY VEHIVAVY AMBATOLAHY

209 0
hotohin’ny vehivavy rehetra maneran-tany dia mankalaza ny andron’ny vehivavy ireo vehivavy ato amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy ato amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo.
Hetsika maro no hanamarihana izany izay niatomboka tamin’ny vavaka firaisam-pinoana izay natao tao amin’ny fiangonana FLM Ambatolahy ny alakamisy 6 martsa teo izay nitohy tamin’ny hazakazaka nanehoan’ireo vehivavy ny firaisankina niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana ny marainan’ny zoma 7 martsa ny tolak’andro kosa
Ka lalalo ara-panatanjahan-tena sy fanadiovana ary fandaminana ny toerana hanaovana ny fety fa ny rapitso sabotsy kosa izay ivon’ny fankalazana dia misy ny famoha mandry sy fananganan-tsaina ny vao maraina ary mitohy amin’ny Carnaval lehibe mamavikavaky ny Tanana,hisy koa ny kabary ifandim-biasana izay elanelanin’ny kilalao sy ny vokatra izay ataon’ireo fikambanam-behivavy fa ny folak’andro dia baolina kitra lehibe ifampikatrohan’ireo samy vehivavy ka ho faranana amin’ny alimpandihizana ny fankalazana.
Ny hetsika rehetra dia eo ambany fiahian’ireo tompon’andraikim-panjakana eto an-toerana izay tarihin’ny ben’ny Tananan’ny kaominina ambanivohitra Ambatolahy.
✍️RA PA

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…

𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐈𝐋𝐎𝐁𝐄

Posted by - novembre 4, 2025 0
Tonga any Ambilobe ny solontenam-panjakana ahitana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana 𝑭𝑳𝑶𝑹𝑬𝑵𝑻 𝑺𝒐𝒂𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝑩𝒆𝒕𝒚 𝑳𝒆́𝒐𝒏𝒏𝒆. Ny…