FAMETRAHANA SAMBOADY- BEN’NY TANÀNA KOMININA MANDROMONDROMOTRA

243 0
FORT-DAUPHIN.
*FAMETRAHANA SAMBOADY-BEN’NY TANÀNA KOMININA MANDROMONDROMOTRA/AMPASY NAHAMPOANA-28 FEBROARY/01 MARTSA 2025.
Ny lehiben’ny Fileovan’i Tolagnaro Préfet MANDEHATSARA Georget no nitarika ny lanonana fametrahana ny samboady ho an’A/toa MOSA Mauril ben’ny tanàna Kominina Mandromondromotra (28/02/25)
sy R/toa ANDRIAMAHASORA Rondromalala S.(01/03/25) izay samy Kandida natolotry ny antoko IRMAR.
Nanome voninahitra ny lanonana :
– Ireo solombavam-bahoaka Nourdine CHABANI sy Aïda RATSIMANDRIONA,
– Ny Governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA,
– Ary ireo olo-manankaja sivily sy miaramila ary ireo mpiaramiombon’antoka.
Nisaotra ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA Ramatoa Governora nandritra ny lahateny nataony ary nanamafy ny fahavononany amin’ny ho fandresen-dahatra ireo mpiaramiombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina hisehatra amin’ny asa fampandrosoana manerana ireo Kominina 69 ato anatin’ny Faritra.
Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan’ireto tompon’andraikitra ireto ny fiaraha-mientana sy firaisankina ho fampandrosoana ity Faritra ity.
 » Tsy misy Kominina hadino »
Tsy misy Distrika atao ankilabao »
« Faritra Anôsy tsy maintsy mandroso »
Madagasikara tsy maintsy mandroso ».

Related Post

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 – 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐬𝐢𝐩𝐚𝐥𝐲.

Posted by - septembre 4, 2024 0
Nisy ny sehatra nifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora eto Antsirabe Ambonivohitra androany 02 septambra.…

𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 « 𝗔𝗦𝗦𝗢𝗖𝗜𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗣𝗥𝗢𝗙𝗘𝗦𝗦𝗜𝗢𝗡𝗡𝗘𝗟𝗟𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗣𝗥𝗘𝗦𝗦𝗘 𝗘𝗡 𝗟𝗜𝗚𝗡𝗘 » (𝗔𝗣𝗣𝗘𝗟) 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗧𝗢𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗢𝗟𝗢𝗡𝗔

Posted by - mars 14, 2025 0
𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 « 𝗔𝗦𝗦𝗢𝗖𝗜𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗣𝗥𝗢𝗙𝗘𝗦𝗦𝗜𝗢𝗡𝗡𝗘𝗟𝗟𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗣𝗥𝗘𝗦𝗦𝗘 𝗘𝗡 𝗟𝗜𝗚𝗡𝗘 » (𝗔𝗣𝗣𝗘𝗟) 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗧𝗢𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗢𝗟𝗢𝗡𝗔 Ny faha 12 Martsa 2025…