Fokontany Tsiadana | niraharan-doza by trano be iray

284 0

Nohon’ny rotsak’orana be loatra miseho eto Antananarivo, dia trano iray no nianjera tamin’ny ampahany teto amin’ny Fokontany Tsiadana, araka ny fanavana nomnen’Andriamatoa RAMAROSON Jean Dieu-Donne. Ny zava-hebibe hoy hatrany izy dia ny tsy fisiana aina nafoy nandritra ity loza ity.

Tokan-trano 4 no mipetraka ato amin’ity trano raba tamin’ny ampahany ity, ary efa nanomboka tamin’ny 2 ora alina tany ho any no efa nanomboka fantatra fa hisy faharavana izany, araka ny fanazavana nentin’Andriamatoa Paul izay anisan’ireo olona nipetraka tato amin’ity trano, vantany vao nitranga kosa ny loza, dia nifanome tanana ny rehetra namindra ny entana hankany amin’ny toerana azo antoka.
Manoloana indrindra ny voina manjo, dia mangataka tolon-tanana avy amintsika malalan-tana ireto niharan-doza ireto.

Mila mitandrina hatrany ary hanaraka ny ny toromoriky ny « Chef Secteur » isika hoy ny Filoham-pokontany namarana ny teniny, ary nentanin’ny vahoaka hanaraka akaiky ny fivoaran’ny toetr’andro sy hijery ny manodidina ny trano ipetrahana’ny tsirairay

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

TANTERAKA NY NOFINOFIN4IREO kAOMININA 08 NANDRITRAN4NY 20 TAONA MAHERY

Posted by - août 12, 2025 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐕𝐀𝐙𝐎, 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐋𝐎(𝟎𝟖) 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐏𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟐𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐄𝐑𝐘 Vita ny BAC…