VAZAHA IRAY NOTANANA AM-PONJA NOHO NY FAMOKARANA HORONANTSARY MAMOAFADY TAO AMBOHIMALAZA

166 0
VAZAHA IRAY NOTANANA AM-PONJA NOHO NY FAMOKARANA HORONANTSARY MAMOAFADY TAO AMBOHIMALAZA
📌 Teratany vahiny iray, manana pasipaoro #fizahan_tany eto Madagasikara no saron’ny #Brigade_Ambohimalaza amin’ny filàna mamoafady.
📱 Manofa trano fandraisam-bahiny ao anatin’ny Kaominina Ambohimalaza. Manangona tovovavy ao amin’ny efitra misy azy ary manao karazana asa sy filàna mamoafady amina tovovavy Malagasy.
🔞 Ampiharany fanararaotana ara-nofo ireo tovovavy ary alainy sary sy horonan-tsary mba hamidy sy haparitaka amin’irony tambazotra lehibe mamoafady irony.
⚠️ Sarona tao an’efitra fandraisam-bahiny ireto zavatra manaraka ireto:
✓ Fitaovana marobe manaitra ny fihetsehana hiray ara-nofo: Karavasy, fehitenda hoditra, fikapohana fitombenana, famatorana tanana, karazana fitafiana manaitra filàna, karazana tady famatorana tongotra sy tanana ho ana tovovavy alaina sary, fimailo marobe.
✓ Tratra tao ihany koa ny : webcam, solosaina sy fakan-tsary.
✓ Hita tanaty solosaina ihany koa ny horonan-tsary mamoafady marobe sy sarin’ireo tovovavy ampiasàna an’ireo fitaovana voalaza eny ambony
🔞 Tovovavy miisa roa, avy any amin’ny faritra avokoa no tratra tao. 22 sy 24 taona.
Loharanom-baovao : CIRGN ANTANANARIVO

Related Post

Fikambanana AFF Boriboritany faha 2 | Nifampiarahaba nahatratra ny taona

Posted by - janvier 28, 2024 0
𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀, 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐀𝐑𝐘 𝐒𝐎𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐑𝐎𝐀 Ny sabotsy…