CROIX ROUGE MENABE NAVADIKA ASA NY VOKATRY NY FANADIHADIANA TENY IFOTONY

387 0

Tontosa tao amin’ny Vezo beach omaly sy androany ny fampafantarana ny vokatry ny fanadihadiana izay nataon’izy ireo teny ifotony tao amin’ireo fokotany enina hiasan’ny croix rouge Malagasy ato amin’ny distrikan’i Morondava ary navadika asa avy hatrany izany entina hisorohana sy hiatrehana ireo loza voanjanahary toa ny rivo-doza sy ny tondra-drano ary ny valan’aretina ka ny croix rouge Malagasy sy ny vondron’olona ifotony ampian’ny BNGRC no hanatanteraka ny asa ka misy ny  tonga dia atao avy hatrany toan’ny fanalana ireo rano miandrina sy ny fanadiovana ireo loto sy lobolobo satria efa misy ny fitaovana tonga eo anivon’ny croix rouge .

Nangonon’i RA PA

Related Post

𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀.

Posted by - avril 23, 2026 0
𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐲. Ny faha 23 – 24 aprily izao no hanatanterahana ny fikaonandoham-paritra…