Ny volana Mai taona 2022 efa nitrahatra ny asa fanamboarana ity tranobenโny serasera sy kolontsaina ity satria dia efa vakivaky daholo ireo rindrina taminโizany toa izao hita aminโny sary izao ary rehefa nivoaka ny vaovao mikasika izany dia namoaka faampitambaovao ny minisiteranโny serasera ny faha 18 JIONA 2022 fa tsy hanaiky ny asa tsy mifanaraka aminโny bokinโANDRAIKITRA dia nangiana ny raharaha hatreo fa ny faha 26 novembre 2022 dia nirondana ilay tranobe ka nilaza ny fampitam-baovaonโny ministeranโny serasera taminโizany fa nisy rivotra sy orana be no nahatonga ny firodanana nefa ny mponina kosa dia nilaza fa tsy marina izany fa nirodana ho azy io fa tsara ny andro taminโio andro io
Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha fa ny talemparitry ny serasera sy kolon-tsaina tato Menabe taminโizany no nalana taminโny toerany very maina aloha zany ny volabe satria mitentina mitentina 999.896.732,95 ariary izany hoe iray miliara ariary zany ny tetibidinโny asa
Ny 13 Aout 2023 dia tonga taty Morondava ny minisitry ny serasera taminโizany izay nametraka ny vato fototra fa nafindra tao aminโny fokotany Bemokijy ity fotodrafitrโasa ity ary ny orinโasa nanao azy teo aloha no hiantoka ny lany ; tafapetraka tokoa ny vato fototra saingy tsy nisy asa nitohy hatraminโizao ary ny fefy izay mamefy ny toerana izay nanaovana ny vatofototra aza efa nirodana ho azy koa ary ilay vato fototra efa tototry ny bozaka
Aminโizao fotoana izao dia lasa toerana fanaovana maloto sy fidiovanโireo mpiasanโny YAS izay mitoby eo anโilanity tranobe ity sisa ilay foto-drafitrโasa nandaniana vola be ilay hoe atao solony moa dia tsy nitohy koa ny asa ka manaitra ny minisitra ankehitriny mba hijerena azy ity .
Hatreto moa mbola tsy manana talem-paritra ny serasera sy ny kolon-tsaiana na dia efa nisy aza ny fiantsoana ho anโizay ho talem-paritra ary maro ireo nandefa dossier saingy misy olo tianโny mpanao politika eo nefa dia tsy mahafeno fepetra raha ny fanadihadiana izay natao ka lasa tsy tafapetra izay ho tena talem-paritra eo
Nangononโi RA PA




