Tohin’ilay raharaha fahatratrarana solika mitampoka tao Mangarano Toamasina: Nitondra fanazavana misimisy kokoa tamin’ny Mpanao Gazety androany ,ny Chef D’escadron ZO Andriamanovosoa, Chef SRC Toamasina.
Fantatra tamin’izany fa petrole, gasoil,ary asidra no ampiasain’ireo mpanao solika mitampoka ary voaporofo tamin’ny fidinana ifotony natao niaraka tamin’ny OMH omaly izany. Tena manimba moteur an fiara sy moto izany ka tsy azo ekena ny fivarotana sy fanaparitahana izany.
Ny fanadihadiana no nahalalana fa amidy amin’iny RN5 iny ireo gasoil mitampoka amin’ny vidiny 3000 hatramin’ny 4000ar.
Ireo olona roa ireo no tratra aloha fa mbola hokarohina ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo araka ny fanazavany hatrany.
Fanambaran’ny Transparency International – Initiative Madagascar manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika omaly sy ireo tsy fanaraha-dalΓ na maro hitan’izy ireo.…
Fiaraha-miasa vaovao hampiroborobo ny fianarana sy ny fidirana aminβny teknolojia Ambatolampy β Natao ho fanohanana ireo mpianatra sy tanora aminβny…