Mahajanga | Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena

54 0
Nandamoaka ny fikasana hanondrana zana-tsokatra an-tsokosoko ho any tanzania.
Teratany tanzanianina iray mpanao trafika no nahatratrarana sokatra miisa 805 natao tao anaty valizy miisa 07 tao amin’ny trano nonenany tao Andovinjo- Betamanga, fokontany Ambondrona, kaominina Mahajanga ny harivan’ny Zoma 27 Desambra tokony tamin’ny 7 ora latsaka fahefany teo.
Sokatra antsoina amin’ny anarana siantifika  » astrochelys radiata » avy any Morondava ireto sarona ireto, nokasaina hohahondrana antsokosoko ampiarahana vedette haingam-pandeha ho any Tanzania, saingy tratra izao ara-potoana izao noho ny fanomezana loharanom-baovao mari-pototra avy amina olona tsara sitrapo, azon’ny zandarimariam-pirenena eto Mahajanga.
Tanana hatao andrimaso eo anivon’ny Borigadin’ny Zandarimaria eto Mahajanga ilay teratany Tanzanianina, ireo sokatra nogiazana ary hatolotra ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Boeny- Betsiboka horaisina an-tanana mandra-pamenana azy any amin’ny toerana voajanahary.
Vao tsy ela no nahasarona dingadingana na concombres de mer ihany koa ny zandary teto Mahajanga. Mitohy ny ady amin’ireo tsy mataho-tody mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.
Miisa 9 ny karazana sokatra misy eto Madagasikara fa ny 5 amin’ireo no zanatany na endémique de Madagascar, iray amin’ireo ny « Astrochelys radiata » na « tortue étoilée de Madagascar ».
Raha mbola misy ny fandoroana na fisomparana ala, doro tanety, ny fihazana, firaisana tsikombakomba amin’ny mpanondrana sokatra antsokosoko dia hanjavona tsy ho hita eto Madagasikara ny sokatra astrochelys radiata ka ho lany tamingana ireto harem-pirenena ireto.

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…