FORT-DAUPHIN FANKALAZANA NY FETIN’NY ASARAMANITRA MIARAKA AMIN’NY FARITRA ANÔSY 

102 0
Tsy misy manana ny ampy,fa sambatra izay mifanampy.
Ho fankalazana ny fetin’ny asaramanitra iatrehana ny krismasy sy fanaovana veloma ny taona 2024 ary ho fitsenana ny taona vaovao 2025.
Nihaona tamin’ireo solotenan’ny Ray aman-dreny beantitra, ireo to-teny sy ireo mpikambana ao anatin’ny komity loharano isakin’ny fokontany 11.
Nifampizara hafaliana sy fifankatiavana ho azy ireo ny Governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA sy ireo ekipa mpiara-miasa aminy.
Vary ,voamaina,menaka ary vatomamy no natolotra azy ireo ho marikin’ny fanomezam-boninahitra sy firaisankina mba hanamafisana hatrany ny fifanampiana ho tombotsoa iraisan’ ny vahoaka ato anatin’ny Faritra.
Notolorana fanamiana mampiavaka azy ireo araka ny fampanantenana nataon-dramata Governora ihany koa ireo komity loharano izay mpiara-miasa amin’ny Faritra mba ho fampandrosoana eny anivon’ny fokontany.
Hafatra nampitain-dRamatoa Governora ny hisian’ny fifankatiavana sy firaisankina ho an’ny fampandrosoana.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - février 3, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐂 𝐑𝐀𝐕𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…