FORT-DAUPHIN FANKALAZANA NY FETIN’NY ASARAMANITRA MIARAKA AMIN’NY FARITRA ANÔSY 

329 0
Tsy misy manana ny ampy,fa sambatra izay mifanampy.
Ho fankalazana ny fetin’ny asaramanitra iatrehana ny krismasy sy fanaovana veloma ny taona 2024 ary ho fitsenana ny taona vaovao 2025.
Nihaona tamin’ireo solotenan’ny Ray aman-dreny beantitra, ireo to-teny sy ireo mpikambana ao anatin’ny komity loharano isakin’ny fokontany 11.
Nifampizara hafaliana sy fifankatiavana ho azy ireo ny Governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA sy ireo ekipa mpiara-miasa aminy.
Vary ,voamaina,menaka ary vatomamy no natolotra azy ireo ho marikin’ny fanomezam-boninahitra sy firaisankina mba hanamafisana hatrany ny fifanampiana ho tombotsoa iraisan’ ny vahoaka ato anatin’ny Faritra.
Notolorana fanamiana mampiavaka azy ireo araka ny fampanantenana nataon-dramata Governora ihany koa ireo komity loharano izay mpiara-miasa amin’ny Faritra mba ho fampandrosoana eny anivon’ny fokontany.
Hafatra nampitain-dRamatoa Governora ny hisian’ny fifankatiavana sy firaisankina ho an’ny fampandrosoana.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

Hahazo CSB II ny FKT Soamahamanina

Posted by - novembre 12, 2023 0
Nanatanteraka fivoriana manokana tao amin’ny FKT Soamahamanina,Tsiroamandidy androany alahady 12 Novambra 2023.   Fivoriana manokana izay miompana indrindra tamin’ny fanentanana…