Nifampizara Fitiavana ny Viavy Mpagnano gazety eto Toamasina

199 0
Toy ny fanao isan-taona, dia omaly omaly 24 Desambra 2024 no notanterahina ny fizarana  » panier garni » hoan’ireo Viavy Mpagnano gazety eto Toamasina  na ny ( VMT) izay tarihin’i Ramatoa Filoha Claudia TSITOLOMY.
Mba ahafahana miatrika ny fetin’ny Noely sy hitsenana ny taona vaovao. Akoho ,menaka,macaroni, spaghetti, ary sardines no nozaraina.
Natao indrindra izao, hanehoana ny firaisan-kina eto anivon’ity Fikambanana ity, ary hanasongadinana ny firaisan-kina izay tanjona lehibe hapetraka eto anivon’ny Fikambanana.
« Mitarika fotsiny no ataoko eto, ary tsy ezaka nataoko izaho samy irery no nahavitàna ny hetsika ,fa niarahana nifanome tanana tamin’ireo Viavy Mpanao gazety mivondrona anatin’ny Fikambanana. Ka izay no itondràko fisaorana ho azy ireo,izay tsy niraviravy tanana tamin’ny fampiroboroboana ny Fikambanana. » Hoy Ramatoa raha nandray fitenana fohy izy manoloana izao hetsika izao.
Mirary fety sambatra ho antsika rehetra,ary samy hotahin’Andriamanitra daholo eh.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …