AMBONIN’AMPAHAMARINANA: EFA TSY TOKONY HIPETRAHANA INTSONY ARAKA NY FANADIHADIANA 

99 0

Tokatrano 400 tafo ahitana olona manodidina ny 2000 any ho any no tandindomin_doza amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany na vato eny amin’ny fokontany 07:

👉Manjakamiadana,Ambavahadimitafo,

Ambanin’Ampahamarinana, Tsarafaritra ,Ambohipotsy ary Faravohitra.
Efa tsy tokony hipetrahana intsony ny eny ambonin’Ampahamarinana rehetra araka ny fanadihadiana manokana natao momba ny toetry ny tany hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC saingy sarotra ny manala ireo mponina ka anjaran’ny fanjakana ny mampahafantatra azy ireo.Isan’izany ny fametrahana ireo saina mena eny amin’ireo toerana tandidomin_doza sy ny fanentanana ireo mponina toy ny natao omaly.
Manentana ny mponina mba tsy hanala ireo saina mena apetraka eny mandritra ity fotoam_pahavaratra ity kosa ny tompon’andraikitra satria aina tandrovana ka raha raha sanatria misy tratra manao izany dia tsy maintsy andraisana fepetra.

📝 M.Elvina

Related Post

𝐕𝐎𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 2025 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐒𝐎𝐋O𝐓𝐄𝐍𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐋𝐀𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐎𝐑𝐎.

Posted by - janvier 14, 2025 0
Fampiakaran- tsaina tao amin’ny fitalevam-paritry ny polisim-pirenena Alaotra Mangoro, Ambalabako no nanamarihana ny fanombohana ny taom-piasana amin’ity Taona 2025 ity…

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…