AMBONIN’AMPAHAMARINANA: EFA TSY TOKONY HIPETRAHANA INTSONY ARAKA NY FANADIHADIANA 

266 0

Tokatrano 400 tafo ahitana olona manodidina ny 2000 any ho any no tandindomin_doza amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany na vato eny amin’ny fokontany 07:

👉Manjakamiadana,Ambavahadimitafo,

Ambanin’Ampahamarinana, Tsarafaritra ,Ambohipotsy ary Faravohitra.
Efa tsy tokony hipetrahana intsony ny eny ambonin’Ampahamarinana rehetra araka ny fanadihadiana manokana natao momba ny toetry ny tany hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC saingy sarotra ny manala ireo mponina ka anjaran’ny fanjakana ny mampahafantatra azy ireo.Isan’izany ny fametrahana ireo saina mena eny amin’ireo toerana tandidomin_doza sy ny fanentanana ireo mponina toy ny natao omaly.
Manentana ny mponina mba tsy hanala ireo saina mena apetraka eny mandritra ity fotoam_pahavaratra ity kosa ny tompon’andraikitra satria aina tandrovana ka raha raha sanatria misy tratra manao izany dia tsy maintsy andraisana fepetra.

📝 M.Elvina

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…