π…π€ππ‰π€πŠπ€ππ€ πŒπ€ππ€πŠπ€πˆπŠπ˜ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€

198 0
Tany amin’ny Kaominina Andromba sy Imerimandroso no nanohizan’ny PrΓ©fet an’Ambatondrazaka Dr RAKOTOARIDINA DieudonnΓ© sy ireo mpiara dia aminy ny TPG na ‘TournΓ© de Police GΓ©nΓ©ralΒ Β» andronay Alatsinainy 02 Desambra 2024.
Voaresaka nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo Sefo Fokontany, Kaomity loharona ary Tangalamena ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana mba hisian’ny filaminana mialoha mandritra ary aorian’ny fifidianana, voaresaka ihany koa ny mahakasika ny fandriampahelena sy ireo olona mety sadrain’ireo vahoaka eny ifotony.
Nitondra fampafantarana sy fanazavana ny anjara andraikitry ny Fitondram-panjakana manoloana izao fiatrehena ny Fifidianana izao moa ny PrΓ©fet an’Ambatondrazaka ary nanentana ny vahoaka ho tonga maro henefa ny adidiny amin’ny 11 Desambra 2024 izao.
Nangonin’i Lova JanΓ 

Related Post

π…πšπ‘πšπ­π¬π’πšπ«π¨π―πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐭𝐨π₯𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 πŸπŸ— 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 πŸπŸ—πŸ’πŸ• 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
Β«Β π…πˆπ“πˆπ€π•π€π-π“π€ππˆππƒπ‘π€π™π€ππ€ 𝐍𝐎 π…πŽπ“πŽπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€ππ€Β Β» π…πšπ‘πšπ­π¬π’πšπ«π¨π―πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐭𝐨π₯𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 πŸπŸ— 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 πŸπŸ—πŸ’πŸ• 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…