TATITRA MOMBA NY FIZOTRAN’NY ASA FANAMBOARANA NY LALANA mampitohy any MORAMANGA sy ny district ANOSIBE AN’ALA RNT-23A.

257 0
Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fandehan’ny asa ny Governoran’ny faritra Alaotra-Mangoro ny Dr Guy RAMAROSANDRATANA notronin’ireo Solombavambahoaka voafidy tao Anosibe An’Ala Atoa FANO sy ny Komity Mpitantana ny fanamboarana ary ireo Teknisianina maro.
Hita fa mandeha tsara ny asa ary efa vita hatrany amin’ny PK20, izay fanamby napetraky ny Governora sy ireo Zanampielezana tany amboalohany (PK 5 à PK 20).
Noho ny fandraisan’ny andaniny sy ankilany ny andraikitra tandrify azy araka ny tokony ho izy anefa, dia nanapa-kevitra ny roa tonta fa hotohizana hatrany amin’ny PK 35 ny fanamboarana; izany hoe mitotaly 30 km ny lalana amboarina.
Rehefa nitafa tamin’ireo fokonolona ny delegasiona dia nisaotra azy ireo ny Governora tamin’ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny alalan’ny tanamaro ary tsy maintsy tandrovina ny lalana vita indrindra rehefa avy ny orana amin’ny alalan’ny Barrage de Pluie.
Nampatsiahivan’ireo nandray fitenenana fa matoa izao no vita dia noho ny fanomezan’Atoa FILOHA Andry RAJOELINA ireo Engins tantanin’ny faritra itsinjovana manokana ireo vahoaka indrindra amin’ny famoahana ny vokatra.
Faly ireo vahoaka sy ny mpampiasa lalana ka nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana tarihan’Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA.
Aseho antsika etsy ambany oreo SARY FAMPATSIAHIVANA ny haratsin’io lalana PK 5 à PK 20 io teo aloha:
©️📸 Governora Alaotra Mangoro
📝 Nangonin’i Lova Janà

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…