MIKA RAKOTOMALALA | LAHARANA FAHA 4 | KAOMININA AMBATOLAMPY

484 0

Tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana lehibe, izay notanterahina tao amin’ny FJKM Ambatolampy,  no nanombohan’Andriamatoa Mika RAKOTOMALALA sy ireo mpanaradia azy

ny fampielezan-kevitra  teto amin’ny Commune Urbaine Ambatolampy

Vahoaka marobe no tonga namaly ny antso nataon’ity Kandida Ben’ny Tanàna anisan’ny Tanora indrindra ato amin’ny Faritra Vakinankaratra ity, vahoaka an’arivony izay niara-niombombava sy nitondra ambavaka ny hahatontosa soa ama-tsara izao fifidiana izay hatao izao.

Taorian’ny fotoam-bavaka, dia namonjy ny QG na ny Quartier Général teny Ambany Atsimo ny rehetra, ary teny no nilazan’Andriamatoa Mika RAKOTOMALALA, Kandida Ben’ny Tanana, izay laharana faha 4 ao anatin’ny Bileta Tokana fa mbola vonona hatrany izy ny hanandratra ny Kaominina Ambonivohitra Ambatalompy amin’ny toerana tsaratsara kokoa noho izao, ary hanohy hatrany ny ezaka efa natao. Betsaka ny efa vita hoy izy nanohy ny teniny, kanefa mbola maro ihany koa ny fikasana tsara mbola tiana ho tanterahina.

Raha tsiahivina ny lasa, dia izy no Ben’ny tanana nahavita fotodrafitr’asa maro indrindra teto anivon’ity Kaominina Ambonivohitra Ambatolampy ity, toy ny Fanantsarana sy fanamboarana Sekoly, ny lalana rarivato manerana ny tanana, ny fanomezana hazavana eraky ny Kaominina, ary mbola izy ihany koa no angady nanana sy vy nahitana ny fazahoana ny Biraon’ny Kaominina vaovao, izay Birao ny Kaominina tena manaraka ny fenitra tanteraka ; fa ankoatr’izay, dia maro ihany koa ny tohana nomeny hoan’ny tanora, toy ny fampiofanana maimaimpoana, ny fanohanana ny fanatanjahan-tena marolafy, baolina kitra, basket ball, ny taranja hay ady sy maro tsy voatanisa.

Tiana ny mampatsiahy fa ny Vovonana IRMAR no nanolotra azy, fa etsy andaniny kosa dia maro ireo Fikambanan’ny Tantsaha, Fikambanan’ny Tanora manao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny fampandresena azy, nambarany tsy niholaka moa ny hoe :

 »AMBATOLAMPY TSY MAINTSY MANDROSO »

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 – 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗵𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗣𝗿𝗮𝗶𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 « Hiaro anareo amin`ny…