๐๐Ž๐’๐Ž๐‹๐Ž๐ˆ๐๐€ ๐‡๐Ž ๐๐ƒ๐’ ๐๐Ž ๐‡๐ˆ๐“๐€๐๐“๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐Š๐€๐Ž๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐๐€ ๐’๐€๐๐Ž๐“๐’๐˜ ๐๐€๐Œ๐„๐‡๐€๐๐€

471 0

Nosoloina ho Delegasiona manokana na PDS no hitantana ny Tanananโ€™ny Kaominina Sabotsy Namehana manomboka androany 18 Novambra 2024 ka io maraina io no natao ny fifamindram-pahefana teo aminโ€™Andriamatoa RAKOTOARISOA Gabin, izay Benโ€™ny tanana Mpisolon-toerana sy Andriamatoa RANDRIAMANANJARA Andrianiaina, izay voatendry ho PDS,ary ireo Mpikambana mianadahy hiara-hiasa aminy.

Nandritranโ€™ny kabary fohy teo aminโ€™ny fifanaovan-tsonia, dia nohatitraterinโ€™Andriamatoa PDS, izay vao notendrenโ€™ny Fanjakana, fa tsy marina velively ilay siosion-dresaka miely fa paipaikโ€™ady Pรดlitika, entina hampandresy ny antokonโ€™ny fitondrana no nanendrena azy izao, fa tena fitohizan-draharaham-panjakana, satria ny asam-panjakana manakaiky ny vahoaka tahaka itony, dia tsy azo bangaina na inona antony na inona antony.

Ny fandaminana ny tsena no vain-dohan-draharaha ho sahany aminโ€™izao handraisany ny fitondrana ny tanana izao, ankoatry ny fampandehanan-draharaha izay efa fanaonโ€™ny Kaominina.

Nilaza ny solon-tenanโ€™ny Mpiasa eto anivonโ€™ny Kaominina Sabotsy Namehana, fa vonona hatrany aminโ€™ny asa izay hatao, indrindra fa ho tombotsoa amboninโ€™ny vahoakanโ€™ny Sabnam no katsahina.

Marihina fa hitsahatra aminโ€™ny asany izy ireo, vantany vao mandray ny toerany ny Benโ€™ny Tanana voafidim-bahoaka aminโ€™ny fotoanโ€™androny.

Tonga nanome voninahitra izao fifamindram-pahefana izao ny Sefo Distrikanโ€™Antananarivo Avaradrano, ireo tandroka aronโ€™ny vozona eto ana-tanana, nahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ary ireo mpiara-miasa rehetra eto aminโ€™ny Kaominina Sabotsy Namehana

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

๐Ÿณ ๐—™๐—˜๐—ฉ๐—ฅ๐—œ๐—˜๐—ฅ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฌ๐Ÿต -๐Ÿณ ๐—™๐—˜๐—ฉ๐—ฅ๐—œ๐—˜๐—ฅ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฑย ยป

Posted by - fรฉvrier 7, 2025 0
ย ยป ๐‘ป๐’”๐’š ๐’Ž๐’‚๐’•๐’š ๐’‚๐’•๐’ ๐’‚๐’-๐’•๐’”๐’‚๐’Š๐’Œ๐’ ๐’‚๐’“๐’š ๐’Ž๐’‚๐’๐’…๐’“๐’๐’•๐’Š๐’Œ๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’๐’Œ๐’ ๐’๐’š ๐’“๐’‚๐’•๐’“๐’‚ ๐’”๐’š ๐’๐’š ๐’ƒ๐’‚๐’๐’ˆ๐’‚ ๐’๐’‚๐’—๐’†๐’๐’‚๐’’๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐’‰๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’•๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚ ๐’๐’‚๐’—๐’ ๐’‰๐’ ๐’‚๐’โ€™๐’๐’š ๐‘ป๐’‚๐’๐’Š๐’๐’…๐’“๐’‚๐’›๐’‚๐’๐’‚ย ยป…