Anororo Distrikan’Amparafaravola faritra | Notanterahina NY FERAOMBY

837 0
Notanterahina tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Anororo distrikan’Amparafaravola faritra Alaotra mangoro ny 12 volana novambre teo feraomby
πŸ‚ Ny Feraomby dia kolontsaina tanterahina isaky ny 2 taona ao Anororo, faritra Alaotra Mangoro, kolontsaina izay mampiavaka iny faritra iny.
πŸ‚ Ny atao mandritry io dia manavao ireo fefy manodidina ny toerana masina izay nanafenan’ny mpanazary Andrianampanjaka NDRIANA ny longy talohan’ny nahafatesany ary nanafarany ny taranany mba hikaroka azy io.
πŸ‚ Ny Volana Asarabe (volana Novambra), no hanatanterahana azy, azo avy amin’ny fikambanan-teny roa samy hafa ny hoe Feraomby: fiaro izay midika hoe fiarovana, fiadiana sy ny hoe aomby izay midika hoe omby.
πŸ‚ Izy ity dia fomban-drazana entina ahatsiarovana sy fanajana ny mpanjaka efa niamboho, no fe-potoana natokana ho fanamasinana ny Doany. Amin’io fotoana io ihany koa no hisian’ny fifandraisana avy amin’ny fanahin’ny mpanjaka izay hampitany ireo hafatra ho an’ny taranany ao Anororo.
πŸ‚ Eo avaratry ny vohitra moa no misy ny doany izay hanantanterahana ny fankalazana ary misy fady tsy maintsy arahina alohan’ny hidirana ao. Tsy azo atao ny manao akanjo mainty, ny mihinan-kisoa, ny manao kapa sy ny akanjo hafa ankoatry ny sikina sy akanjo tsy misokatra, lava tΓ nana fa ahitan-doza ny fandikana izany. Mba hitazomana ny tso-drano sy ny filatasahan’ny orana dia tsy maintsy tanterahina ny hafatry ny mpanjaka ary ny lanonana dia azo atrehan’ny olona rehetra fa ny fady no tsy maintsy arahina.
πŸ‚ Misy ihany koa ny fanaovana sorona ka ny sorona atao amin’izany dia tsy maintsy omby, efa misy ireo karazana omby voatokana ho amin’izany. Raha araky ny tantara moa dia voadidina zetra ny toerana nanafenan’ny mpanjaka ilay longy ary taty aoriana vao nisy ny fihenan’ilay rano ka lasa niinana teo ireo omby ary tamin’izay no naitan’izy ireo ilay longy ary nahatonga azy namefy sy nanome lanja ilay toerana indray.
πŸ‚ Nofefena ilay toerana mba tsy hisy iditra sy hanitsaka intsony indrindra ny omby. Izay no tena nahatonga azy nantsoina hoe fiaro aomby.
Nangonin’i Lova JanΓ 
Β©οΈπŸ“Έ: Eli Randrianaharintsoa

Related Post

π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

Posted by - fΓ©vrier 20, 2024 0
π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – 𝐍𝐒𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 π­π¨π¦π›πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞π₯πšπ›πžπ₯𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐟𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐭𝐲  …