Harilala RAMANANTSOA | NOTOKANANA NY QG HIFANERASERANA AO SOAVIMASOANDRO

463 0

Io maraina io no notokanana ny « Quartier Général » na ny QG etsy Soavimasoandro, ity dia iray amin’ireo QG natao hifaneraserana mandritran’ny fampielezan-kevitra izay hatomboka tsy ho ela. Tamin’ity fotoana ity ihany koa niara-nitafatafa tamin’ireo Mponina ato anatin’ny  Boriboritany faha 5 eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Kandida Harilala RAMANANTSOA, laharana faha 7 ao anatin’ny Bileta Tokana. Nandray azy am-pitiavana ity Boriboritany ity, notarihin’ny Solombavambahoakan’ny Madagasikara, izay voafidy ao anatin’izany Boriboritany fahadimy izany, Naivo RAHOLDINA.

Hifanome tanana isika, hampandroso hatrany ny Boriboritany misy antsika, ary hanao loloha lanitra ka samy hiloloha izay tandrify azy, fa na izany aza, hitondra fanavaozana lehibe hoan’ity Boriboritany faha5 ity isika, hoy i Harilala RAMANANTSOA, nandritra ny fandraisam-pitenana fohy nataony.

Tsy mpanao Pôlitika izy, tsy mpikabary tahaka anay, fa kosa tena olon’ny fampandrosoana, ary tena teknisianina manana ny maha izy azy, ary ny azy dia ny asa no entiny mandresy lahatra, fa tsy kabary tsara rindra tahaka ny ahy, hoy kosa ny Solombavambahoaka Naivo RAHOLDINA tamin’ny lahateny nataony. Tsy diso safidy ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA hoy ihany izy nanohy ny teniny, nisafidy an’i Harilala, fa tena nahita olona hitondra fanavaozana tanteraka hoan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hita taratra tamin’ny hafaliana narahina fihetsika maneho firaisankina nasehon’ny vahoakan’ny Boriboritany faha5 fa tena matotra ny fifampitokisana misy eo amin’izy ireo sy Harilala RAMANANTSOA.

Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀, 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐂𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀, 𝐑𝐄𝐆𝐈𝐎𝐍 𝐁𝐄𝐓𝐒𝐈𝐁𝐎𝐊𝐀

Posted by - mai 12, 2025 0
Velon-taraina ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Andriamena, Distrika Tsarantanana, Faritra Boeny, satria diso fanantenana ny vahoaka manoloana ny fitsimbadihan’ny vokam-pifidianana,…