Harilala RAMANANTSOA | NOTOKANANA NY QG HIFANERASERANA AO SOAVIMASOANDRO

170 0

Io maraina io no notokanana ny « Quartier Général » na ny QG etsy Soavimasoandro, ity dia iray amin’ireo QG natao hifaneraserana mandritran’ny fampielezan-kevitra izay hatomboka tsy ho ela. Tamin’ity fotoana ity ihany koa niara-nitafatafa tamin’ireo Mponina ato anatin’ny  Boriboritany faha 5 eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Kandida Harilala RAMANANTSOA, laharana faha 7 ao anatin’ny Bileta Tokana. Nandray azy am-pitiavana ity Boriboritany ity, notarihin’ny Solombavambahoakan’ny Madagasikara, izay voafidy ao anatin’izany Boriboritany fahadimy izany, Naivo RAHOLDINA.

Hifanome tanana isika, hampandroso hatrany ny Boriboritany misy antsika, ary hanao loloha lanitra ka samy hiloloha izay tandrify azy, fa na izany aza, hitondra fanavaozana lehibe hoan’ity Boriboritany faha5 ity isika, hoy i Harilala RAMANANTSOA, nandritra ny fandraisam-pitenana fohy nataony.

Tsy mpanao Pôlitika izy, tsy mpikabary tahaka anay, fa kosa tena olon’ny fampandrosoana, ary tena teknisianina manana ny maha izy azy, ary ny azy dia ny asa no entiny mandresy lahatra, fa tsy kabary tsara rindra tahaka ny ahy, hoy kosa ny Solombavambahoaka Naivo RAHOLDINA tamin’ny lahateny nataony. Tsy diso safidy ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA hoy ihany izy nanohy ny teniny, nisafidy an’i Harilala, fa tena nahita olona hitondra fanavaozana tanteraka hoan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hita taratra tamin’ny hafaliana narahina fihetsika maneho firaisankina nasehon’ny vahoakan’ny Boriboritany faha5 fa tena matotra ny fifampitokisana misy eo amin’izy ireo sy Harilala RAMANANTSOA.

Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

𝗙𝗜𝗙𝗜𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟴 : 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗛𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗠𝗘𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗜𝗔𝗧𝗢𝗦𝗜𝗞𝗔 𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤

Posted by - août 8, 2025 0
👉𝙋𝙖𝙧𝙞𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣𝙖̀𝙣𝙖 𝙄𝙢𝙚𝙧𝙞𝙣𝙩𝙨𝙞𝙖𝙩𝙤𝙨𝙞𝙠𝙖, 𝙣𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙥𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖 𝙫𝙤𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙞𝙗𝙚𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙎𝙤𝙡𝙖𝙣𝙜𝙖 𝙛𝙖…

𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟬𝟵 -𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟮𝟱 »

Posted by - février 7, 2025 0
 » 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒚 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒕𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒃𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒍𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒍𝒂𝒗𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 »…