DISTRIKAN’NY SOANIERANA IVONGO | Manomboka ny fakesorana trano manomboka amain’ny PK+0 hatramin’ny Pk+400.

402 0
Nidina teto aminy kaominina Soanierana Ivongo Ambonivohitra ny Lehiben’ny Fileovana Fenoarivo Antsinanana niataka tamin’ny delegasionina maro indrindra ny mpitandro filaminana nampihatra ny didim-panjakana izay tapaka mba ho fitsijovana ny tombotsoa ny daholobe aminy fanamboarana ny lalana RNS5 Soanierana Ivongo -Vahibe hatrany Mananara avaratra.
Efa nisy ny fifampiresahana natao taminireo manana trano voakasika ny fandalovan’ny lalana RNS5 ity , maro ireo resilahatra fa mangataka ny hanomezana ny tambiny izay nifanarahana , ary nanamafy ny Lehiben’ny Fileovana Fenoarivo Antsinanana RASOLOMAMPIONONA Emmanuel fa vonona ny vola hoan’ireo mponina voakasika fa atao aloha ny hitohizany asa fanamboarana, ary ampilaminana nanaovana ny fanesorana ireo trano ary mbola nomena fotoana ireo nanala ny tranony mba ho fitsinjovana ny maha olona .
Misy anefa ny tsy nanala ny zavatra tao antrano ka tsy mantsy natao ny fanarahandalana niantso Huissier naka lisitra ireo etana rehatra navoaka ary natao amin’ny toerana voatokana sy azo antoka . Nambaran’ny ireo voakasika ihany koa fa toa misy endrika fitanilana nataonireo teknisianina satria ny ilany ankavanana no tena maro ny trano afaka raha toa ka 15 metatra no ilaina avia sy havanana .
Mizotra araka izany ny asa ankehitriny ary antenainy vahoaka mpampiasa ny lalana RNS5 Soanierana Ivongo – hatramin’ny Mananara Avaratra ny fahavitany .
📝 Brudo Raseta

Related Post

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…