๐…๐ˆ๐‡๐€๐Ž๐๐€๐’๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž ๐†๐€๐™๐„๐“๐˜ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐†๐Ž๐•๐„๐‘๐๐Ž๐‘๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐‹๐€๐Ž๐“๐‘๐€ ๐Œ๐€๐๐†๐Ž๐‘๐Ž

140 0
Nanao dinidinika narahina ady hevitra niaraka tamin’ireo mpanao gazety namariparitana ireo asa efa vita tao anatin’ny heritaona sy tapany nitantanany ny Faritra sy ireo vina mbola ho tanterahina ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA sy ireo mpiara miasa aminy androany Talata 22 Oktobra 2024.
Sehetra maro no nifampiresahana fa anisan’ny tena nimbahan-toerana ny resaka fotodrafitr’asa toa ny fanamboarana lalana.
Koa nitondran’Andriamatoa Governora fanamarihana sy fampahafantarana manokana ny Fomba fiasa amin’ny fanamboarana ny lalana fa ireo mpahazo tombotsoa ( Fiarahamiasan’ny vahoaka, Kaominina, Solombavam-bahoaka) na koa ireo mpiaramiombon’antoka no miantoka ny solika amin’ny fampiasana ireo fitaovana avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina tantanan’ny Fiadidiana ny Faritra fa fanampiana no ataon’ny Faritra.
Mahakasika ny Lalana Anosibe An’Ala manokana kosa dia nitondrany fanamarihana fa noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana ara-potoana no tena antony nanimba tanteraka io lalana io, ary efa nanao antso tamin’ireo tompon’andraikitra ny Fiadidiana Faritra ka izany no hanaovana ny asa fanairana amin’ny fanamboarana io lalana io izay ho atomboka amin’ ny Sabotsy 26 Oktobra 2024 izao eo amin’ny PK 5 ka nisaorany ireo rehetra manolon-tanana.
Maro koa ireo fotodrafitr’asa efa vita saingy tsy mbola notokanana hatramin’izao satria maro amin’izy ireo no mbola tsy voaloa vola hoy Andriamatoa Governora ka sarotra ny hitokanana azy saingy misy kosa anefa ireo efa voaloa vola ka hirosoana amin’ny fanatsarana sy ny fitokanana.
Voaresaka ihany koa moa ny seham-pambolena amin’ny maha sopitry Madagasikara ny Faritra Alaotra Mangoro ka nambaran’ Andriamatoa Governora fa efa tena ezaka lehibe no ataon’ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao raha tsy resaka ankoatran’ny fisitrahan’ny Faritra ny tetik’asa Riz plus sy ireo ezaka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo toeram-pamokarana masomboly aty Alaotra ary eo ihany koa fametrahana ny ozinina mamokatra zezika, ary nambarany koa fa efa tsy mijanona fotsiny amin’ny fanatsarana ny vokatra fa efa miroso amin’ny fametrahana ozinina fanodinana vokatra ihany koa ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny tetik’asa ODOF
Fa nangatahan’ireo mpanao gazety tamin’Andriamatoa Governora sy ireo mpiara miasa aminy kosa tamin’io fiaraha-midika sy fiaraha-misakafo maraina io ny mba hisian’ ny fanatsara eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanao gazety rehetra ato anivon’ny faritra Alaotra Mangoro ka naneho ny fahavononany ny amin’ny fanatanterahana izany Andriamatoa Governora.
Hifanome tanana araka izany manomboka izao ny Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo mpanao gazety ary hitohy isaky ny telo volana farafahan-keliny ny fihaonana toy izao.
๐Ÿ“ ๐‘ณ๐’๐’—๐’‚ ๐‘ฑ๐’‚๐’๐’‚ฬ€

Related Post

๐“๐ž๐ญ๐ข๐ค๐š๐ฌ๐š ยซย ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ก๐š๐ณ๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒย ยป

Posted by - fรฉvrier 28, 2024 0
Natomboka tao amin’ny EPP Tsimavaobe ao Morondava androany ny fambolen-kazo ao anatinโ€™ny tetikasa โ€œ๐—จ๐—ป รฉ๐—นรจ๐˜ƒ๐—ฒ, ๐—จ๐—ป ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒโ€ izay nanentananโ€™IOโ€™RENALA ny…