AVOTRA ILAY VARIRA, DAHALO 02 NO MATY

316 0
Tsiahivina fa lasan’ny dahalo i Zafindrafaly, zaza varira 08 taona ny Asabotsy 12 Oktobra 2024 lasa teo tao Mahitsy fokontany Fotsivavo Lohafary distrikan’i Vangaindrano. Tsy niraviravy tanana ny zandary nanao ny fikarohana.
Ny Alatsinainy 21 oktobra tamin’ny 09 alina no nalefa tany Anilobe, Vohitrambo ny zandary 15 notarihin’ny Cdt Cie nanao velapandrika hanavotana ilay varira sy hisambotra ny dahalo.

Avotra ilay zaza nalaina ankeriny saika hamidy. Dahalo miisa 02 no lavo nandritra ny fifandonana. Olona 06 no voasambotra ka 04 dahalo nanafika, ny 02 vehivavy niray tsikombakomba nanafina ilay zaza sady vadin’ireto dahalo ireto. Tratra tamin’ izany koa ny basy vita gasy miisa 02 sy mohara.

Nentina tany amin’ny  mpitsabo ilay zaza ary halefa any amin’ny toby fitaizana azy ireo.
Marihina fefa namono ny sefo fokontany tao Soaserana Lopary ireto dahalo ireto. Efa naka ankeriny zaza varira tao Ranomena Bevata koa izy roalahy maty ireto ary ikoizana amin’ny halatr’omby koa.
Efa nandrasan’ny fokonolona hatao fitsaram-bahoaka kinanjo efa lavo tamin’ny fifandonana.
Mitohy ny ezaka sy hazalambo ireo mbola tsy tratra.
Namanao ny zandarimaria.
Loharanom-baovao : Zandarimariam-pirenena

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

Posted by - avril 20, 2024 0
FORT-DAUPHIN. 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆   Araka ny programan’asa ny fitondram-panjakana…