AVOTRA ILAY VARIRA, DAHALO 02 NO MATY

679 0
Tsiahivina fa lasan’ny dahalo i Zafindrafaly, zaza varira 08 taona ny Asabotsy 12 Oktobra 2024 lasa teo tao Mahitsy fokontany Fotsivavo Lohafary distrikan’i Vangaindrano. Tsy niraviravy tanana ny zandary nanao ny fikarohana.
Ny Alatsinainy 21 oktobra tamin’ny 09 alina no nalefa tany Anilobe, Vohitrambo ny zandary 15 notarihin’ny Cdt Cie nanao velapandrika hanavotana ilay varira sy hisambotra ny dahalo.

Avotra ilay zaza nalaina ankeriny saika hamidy. Dahalo miisa 02 no lavo nandritra ny fifandonana. Olona 06 no voasambotra ka 04 dahalo nanafika, ny 02 vehivavy niray tsikombakomba nanafina ilay zaza sady vadin’ireto dahalo ireto. Tratra tamin’ izany koa ny basy vita gasy miisa 02 sy mohara.

Nentina tany amin’ny  mpitsabo ilay zaza ary halefa any amin’ny toby fitaizana azy ireo.
Marihina fefa namono ny sefo fokontany tao Soaserana Lopary ireto dahalo ireto. Efa naka ankeriny zaza varira tao Ranomena Bevata koa izy roalahy maty ireto ary ikoizana amin’ny halatr’omby koa.
Efa nandrasan’ny fokonolona hatao fitsaram-bahoaka kinanjo efa lavo tamin’ny fifandonana.
Mitohy ny ezaka sy hazalambo ireo mbola tsy tratra.
Namanao ny zandarimaria.
Loharanom-baovao : Zandarimariam-pirenena

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…