ᴍɪᴀɴᴅʀᴀɴᴅʀᴀ ᴛᴀɴᴛsᴏʀᴏᴋᴀ ᴀᴠʏ ᴀᴍɪɴ’ɴʏ ғɪᴛᴏɴᴅʀᴀɴᴀ ɪʀᴇᴏ ᴠᴇʜɪᴠᴀᴠʏ ᴛᴀɴᴛsᴀʜᴀ ᴇᴛᴏ ᴍᴀᴅᴀɢᴀsɪᴋᴀʀᴀ. ᴀɴɪsᴀɴ’ɴʏ ғɪᴋᴀᴍʙᴀɴᴀɴᴀ ɴᴀᴍᴘɪsᴇʜᴏ ɴʏ ᴍᴀʜᴀ ɪᴢʏ ᴀᴢʏ ɴᴀɴᴅʀɪᴛʀᴀ ɴʏ ᴀɴᴅʀᴏ ᴍᴀɴᴇʀᴀɴᴛᴀɴʏ ʜᴏ ᴀᴢʏ ɪʀᴇᴏ ɴʏ ғᴀʀᴍ ɴᴏ sᴀᴅʏ ɴᴀɴᴀᴏ ғᴀɴᴀᴍʙᴀʀᴀɴᴀ ᴛᴀᴍɪɴ’ɴʏ ᴀɴᴀʀᴀɴ’ɪʀᴇᴏ ғᴀʀɪᴛʀᴀ ʀᴇʜᴇᴛʀᴀ ᴍɪsʏ ᴀᴢʏ ᴍᴀɴᴇʀᴀɴᴀ ɴʏ ɴᴏsʏ.

173 0
Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny « Journée Internationale des Femmes Rurales » (JIFR). Fotoana ahafahan’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa fambolena sy fiompiana ary ny jono ny vokany no sady ihany koa ampitany mivantana ny hetahetany amin’ny tompon’andraikitra voakasika. Mandray anjara sy mankalaza an’izany isantaona ny fikambanana FARM( Femmes en Action Rurale de Madagasikara) izay mifototra amin’ny « fiandrianana ara-tsakafo manoloana ny fiantrekan’ny fiovan’ny toetrandro ». Efa saika hita amin’ny faritra maro eto Madagasikara ity tambazotrana vehivavy mivelona amin’ny tontolo ambanivohitra ity.
Nisy ny fanambarana nataon’ny Filoha Nasionalin’ny FARM androany talata 15 oktobra 2024 nandritra ny fanamarihana ho an’ny Faritra Analamanga izay natao tao amin’ny kaominina Talata Volonondry, Disitrikan’i Antananarivo Avaradrano. Manana paikady hanatsarana ny tontolon’ny famokarana eto Madagasikara, hahatongavana amin’ny fanjarian-tsakafo eto amintsika ny FARM, araka ny nambaran-dRamatoa RAVONIARISOA Hantanirina Lilia Filoha Nasionaly.
Ho fanatanterahana an’izany drafitra izany dia niantso ny fitondram-panjakana dia ny Minisitera mpiahy mivantana an’izany sehatra izany ny FARM mba hifarimbona sy hiara-hisalahy aminy. Fanirian’izy ireo ny hisitraka tantsoraka sy fanampiana maro lafy. Anisan’ny mampiavaka an’ny FARM koa ny fananany ny tetikasa mamadika ny fako ho lasa arina fandrehitra (charbon). Sady mikendry ny fanjarian-tsakafo no miaro ny tontolo iainana mifanaraka amin’ny fiovan’ny toerandro. Ity tetikasa ity no nahazoan’ny FARM fampitaovana androany. Nizara fitaovana ho an’ireo fikambanana ny solontenam-panjakana tonga teny an-toerana ka fitaovana fanodinana ny akora ho saribao.
Anjatony ireo vehivavy avy amin’ny FARM namonjy an’ity foara ity androany ary nahitana solontena avy amin’ny faritra ivelany Analamanga, hoy kosa ny fanazavan’ny Mpandrindram-paritry ny FARM Analamanga.
Tonga nitarika an’izao lanonana izao ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Sekretara Jeneralin’ny Faritra Analamanga sy ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana Analamanga ary ny avy amin’ny Tranoben’ny tantsaha sy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny kaominina Talata Volonondry mpampiantrano ny hetsika.
Nangonin’ Lay MAHITSY

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…