Fifidianana Monisipaly/ Kominanaly: Ben’ny tanàna miaraka amin’ny vahoaka no ilain’ny firenena, hoy ny KMF/CNOE

229 0
Taorian’ny asa mangina nataony mahakasika an’izao fiatrehana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsaina ho avy izao dia nanao fanambarana ny fikambanana KMF/CNOE Fanabeazana olompirenena ny alatsinainy 07 Oktobra teo.
« Nisafidy niasa nangina izahay tamin’ny Faritra maro manerana ny Nosy. Tsikaritra fa diso miabo ny fahefan’ny Mpanapankevitra amin’ny sehatry ny fifidianana. Azo antoka fa tsy hanaratsy tena ireo manampahefana sy ny antokony ka ahiana ho lasa manilika ny hafa izany », hoy ny Filohan’ny KMF/CNOE, Norbert Namearison.
Mila mahaleotena tanteraka ny CENI sy ny fitsinjaram-pahefana, hoy hatrany ny fanambarany. Raha ny zava-misy ankehitriny dia tsy azo antenaina ny hisian’izany fitsinjaram-pahefana vanona izany eto amintsika noho ny fivangongon’ny fahefana. Manampy trotraka ihany koa ny adisisiky ny antoko politikan’ny mpanohitra na ny mpomba ny fitondrana mba handrombaka ireo renivohi-paritany, hoy hatrany ny voalazan’ity lehiben’ny fikambanana ity.
 » Fifidianana manakaiky vahoaka indrindra ny Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsaina ka mila olona miaraka amin’ny vahoaka no hapetraka amin’ireo toerana ireo fa tsy ampy andrefesana raha hoe miaraka amin’ny fitondrana. Fa hatreto, hita sy tsapa fa mbola tsy tena mipetraka eto amin’ny firenentsika izany demokrasia izany », hoy Andriamatoa Namerarison Norbert , Filohan’ny Fikambanana KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 (𝖬𝖺𝗒 𝗇𝗒 𝗏𝗈𝗅𝖺 𝗂𝗄𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇`𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺) ✦Kilan`ny afo ny…