Fifidianana Monisipaly/ Kominanaly: Ben’ny tanàna miaraka amin’ny vahoaka no ilain’ny firenena, hoy ny KMF/CNOE

352 0
Taorian’ny asa mangina nataony mahakasika an’izao fiatrehana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsaina ho avy izao dia nanao fanambarana ny fikambanana KMF/CNOE Fanabeazana olompirenena ny alatsinainy 07 Oktobra teo.
« Nisafidy niasa nangina izahay tamin’ny Faritra maro manerana ny Nosy. Tsikaritra fa diso miabo ny fahefan’ny Mpanapankevitra amin’ny sehatry ny fifidianana. Azo antoka fa tsy hanaratsy tena ireo manampahefana sy ny antokony ka ahiana ho lasa manilika ny hafa izany », hoy ny Filohan’ny KMF/CNOE, Norbert Namearison.
Mila mahaleotena tanteraka ny CENI sy ny fitsinjaram-pahefana, hoy hatrany ny fanambarany. Raha ny zava-misy ankehitriny dia tsy azo antenaina ny hisian’izany fitsinjaram-pahefana vanona izany eto amintsika noho ny fivangongon’ny fahefana. Manampy trotraka ihany koa ny adisisiky ny antoko politikan’ny mpanohitra na ny mpomba ny fitondrana mba handrombaka ireo renivohi-paritany, hoy hatrany ny voalazan’ity lehiben’ny fikambanana ity.
 » Fifidianana manakaiky vahoaka indrindra ny Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsaina ka mila olona miaraka amin’ny vahoaka no hapetraka amin’ireo toerana ireo fa tsy ampy andrefesana raha hoe miaraka amin’ny fitondrana. Fa hatreto, hita sy tsapa fa mbola tsy tena mipetraka eto amin’ny firenentsika izany demokrasia izany », hoy Andriamatoa Namerarison Norbert , Filohan’ny Fikambanana KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐒𝐘 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 29, 2024 0
𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮(06) 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗼𝗵𝗶𝗿𝗼𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗧𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗼𝗸𝗲 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗲𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆.   𝗧𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆…