Toamasina: Hatsaraina ireo lala-m-pasika be mpivezivezy eto Toamasina.

303 0
Natomboka tao Tanamakoa ny asa androany,ka ny Governoran’ny Faritra Mpisolo toerana,Atoa Andry Rakotovao no nitarika izany asa izany. Amin’ny alalan’ireo Fiara be ,izay nomen’ny Fitondram-panjakàna ho an’ny Faritra Atsinanana, no anamboarana ireo lalana ireo.
👉 Koa satria ilaina ny mifanome tanana amin’ny fampandrosoana,dia niraisin’Atoa ALAIN Andriafanomezantsoa ( ZOKY ALAIN) an-tanana ny famatsiana solika an’ireo fiarabe ireo, mba hanafainganana ny asa.
Mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana dia hanome lampe cobra hanazavana io lalana io ihany koa ny tenany.
👉 Marihana moa fa manomboka eo amin’ny bazary tanamakoa ka mivoaka ao Tanambao fahadimy ity lalana asiam-panamboarana ity,ary mbola hotohizana amin’ny toerana hafa.

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…