MANDROSOA AMBOHITROLOMAHITSY : MITOHY HATRANY NY FAMPIHOFANANA IREO TANTSAHA ISAM-POKONTANY

297 0
 Tontosa ny Alakamisy 4 Oktobra 2024 tontolo andro ny fampihofanana ireo tantsaha maro be tao @ fokontany Mandrosoa Ambohitrolomahitsy Manjakandriana mahakasika ny fanamboarana savony hidiovana sy fampiasa @ filan’ny mponina @ andavanandro.
Miisa 80 ireo tantsaha nandray anjara t@ ity fiofanana savony sy ranon-tsavony ity Ary hoentin’izy ireo hampiarina @ fiananany andavanandro izany raha toa ka ao ihany koa ireo mikasa hanao fampidiram- bola mahakasika azy ity.
Nanambara ny mpampiofana Lalaina RABEZANAHARY fa afaka atao vadin’asa tsara eto @itsika ny karazana fiofanana tahaka itony fa indrindra ny eny @ tontolo ambanivohitra izay lavitra mpivarotra sns.
‼️ Ny  » Association SAKAIZAN’I BOSCO » no nikarakara ity fampihofanana ity Ary nividy ireo akora rehetra ilain’ny tantsaha ahafahana manantontosa izany.
Ankoatra ny fampihofanana,hiditra lalina @ ny famaliana ireo fangatahin’ny mponina maro be ao an-toerana mahakasika ny fotodrafitrasa sy ny sosialy ary ny fampihofanana maro samy hafa ny Association SAKAIZAN’I BOSCO manomboka eto.
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

𝐏𝐑𝐄𝐅𝐄𝐊𝐓𝐈𝐎𝐑𝐀𝐍’𝐈 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑶𝑹𝑰𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑷𝑶𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑵𝑲𝑨𝑷𝑶𝑩𝑬𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑱𝑨𝑲𝑨𝑵𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑵𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒀…