𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π— π—£π—œπ—©π—”π—₯𝗒𝗧π—₯𝗔 𝗠𝗔π—₯𝗒 π— π—œπ—§π—”π—₯π—”π—œπ—‘π—” 𝗙𝗔 π—Ÿπ—”π—™π—’ 𝗑𝗬 𝗦𝗔π—₯𝗔𝗑`𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗠𝗕𝗒𝗔π—₯𝗔𝗑𝗔 π— π—œπ—­π—”π—‘π—”

173 0
Lafo loatra ny saran`ny fanamboarana mizana avy nandalo fitsirihana tamin`ny mpanaramaso ny varotra ato Sofia. Mitaraina ireo mpivarotra fa tena misy fanararaotana ny fanamboarana ny simba amin`ny mizana. Mandany 30.000 Ar hatramin`ny 60.000 Ar isaky ny mizana ny mpivarotra iray.
Tonga eto Mandritsara efa hateloana izy ireo manao fitsirahana izao. Nanambara ireo mpanaramaso ny varotra fa lafiny ara-teknika maro no ankana vola io izay tsy mazava amin`ny mpivarotra. Ankilany mitaraina ny tompony mizana amboarina fa tena mihoa-pampana ny vola alaina.
Akana 15000 Ar ny mizana tsy ahitana kilema, niova ho 10.000 Ar rehefa nanaovan`ny mpanao gazety fanairana omaly alakamisy 3 oktobra. Manaitra ny tompon`andraikitra ambony izy ireo.
Nangonin`i Claudio

Related Post

πƒπ’π¬π­π«π’π€πš π€π§π­π¬π’π«πšπ›πž 𝐈 | π…π’πŸπ’ππ’πšπ§πšπ§πš 𝐀𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐚π₯𝐲.

Posted by - dΓ©cembre 8, 2024 0
Mifarana androany 08 Desambra ny lisitry ny mpifidy natovana « OrdonnanceΒ Β» avy amin’ny didim-pitsarΓ na ambaratonga voalohany(TPI)Antsirabe ho an’ny Distrika Antsirabe I.…