๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€ – ๐‘๐„๐๐ˆ๐Œ-๐๐ˆ๐€๐Š๐€๐•๐ˆ๐€๐๐€ ๐๐ˆ๐Š๐€๐’๐€ ๐‡๐€๐๐ƒ๐€๐…๐Ž ๐™๐€๐๐€๐๐˜ 7 ๐•๐Ž๐‹๐€๐๐€ ๐’๐€๐‘๐Ž๐`๐๐˜ ๐๐Ž๐‹๐ˆ๐’๐˜

260 0
โœฆRenim-pianakaviana iray 29 taona no nikasa handafo zanany vavy 7 volana tamin`olona vonona hividy ilay zaza. Tonga tamin`ny tokantrano iray tetsy Ambalanantsotry Mandritsara ilay vehivavy miaraka amin`ny zanany ka nandresy lahatra ny mba hividy ilay ankizy kely omaly alarobia 2 oktobra 2024. Nampandre teny amin`ny polisim-pirenena ilay olona noreseny lahatra ity ka avy hatrany nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana tarihan`ny Kaomisera, Rabenandrasana Bertheli.
Fantatra tamin`ny alalan`ny fanadihadiana fa tsy nahafantatra ny zavatra nataony ny rain-janany ary tsy mankasitraka ny fandafosany ny zanany koa. Nentin`ny rainy nody any Maromandia, Antanandava kaominina Kalandy distrikan`i Mandritsara ny zanany. Telo mianadahy ny zanak`izy ireo. Olana ara-tokantrano no nanosika ilay renim-pianaviana handafo zazakely izao satria nisaram-panadiana izy. ยซย Tsy tonga ny entana anton-katrano, amidiko araka izay asahianao azy izy ityย ยป hoy ilay vehivavy.
Efa eny amin`ny fampanoavana ny raharaha ary efa nidoboka am-ponja ilay renim-pianakavina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

Zava-baovao ao Farafangana | mitondra paikady hentitra hiadiana aminโ€™ny tsy fandriampahalemana ny Zandary

Posted by - juillet 4, 2025 0
๐™๐š๐ฏ๐š-๐›๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ ๐š๐จ ๐…๐š๐ซ๐š๐Ÿ๐š๐ง๐ ๐š๐ง๐š! ๐…๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š๐ง๐š ๐•๐จ๐š๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง๐ฒ ๐“๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐‹๐ž๐ก๐ข๐›๐ž๐ง’๐ง๐ฒ ๐™๐š๐ง๐๐š๐ซ๐ฒ ๐•๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ โ€“ ๐€๐ญ๐ฌ๐ข๐ฆ๐จ ๐€๐ญ๐ฌ๐ข๐ง๐š๐ง๐š๐ง๐š — Farafangana, 4 Jolay 2025 Nitondra fanantenana sy…