Fandaharan’asa RINDRA

382 0
🔴 Nanao ezaka hatrany ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny Tahiry Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (EDF), amin’ny fanamafisana ny sehatry ny fambolena malagasy. Ny fandaharan’asa RINDRA dia maneho ohatra iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra sy ny fanjarian-tsakafo.
🔴 Nahafahana nitondra fiovana mivaingana amin’ny fotodrafitrasa momba ny fambolena sy ny tontolo iainana, sady nanamafy ny fahaiza-manaon’ny andrim-panjakana misahana ny fampandrosoana ambanivohitra ity fandaharanasa ity.
🔴 Ny fiantraikan’ny fandaharan’asa RINDRA:
👉 Fananganana Tahirim-bolam-paritry ny Fampandrosoana ny Fambolena (FDAR).Talohan’ny nidiran’ny fandaharan’asa RINDRA dia FDAR 15 ihany no niasa. Noho ny fanohanan’ny Vondrona Eoropeana,22 ny FDAR miasa ankehitriny.
👉 Fanomezana fitaovana ahitana fiara sy motocross izay hanamora ny fivezivezena eny an-kianja, ary koa ny solosaina hanavaozana ny asa ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny andrim-panjakana hafa.
👉 Fanarenana ireo fotodrafitrasa tena ilaina; nanarina fotodrafitrasa iankinan’ny aina ho an’ny sehatry ny fambolena sy ny tontolo iainana ary ny jono ny RINDRA. Anisan’ny zava-bita lehibe indrindra ny fanarenana ny trano MEDD, MINAE, DPV, ary koa ny fananganana ny Tranoben’ny Diplomasia Maitso etsy Antsahavola.
👉Ankoatra ny fotodrafitrasa, ny fandaharan’asan’ny RINDRA dia nahafahana nanamafy ny fahaiza-mitantana ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola natokana ho an’ny Sampan-draharaham-panjakana mitantana ny Tahirim-pirenena (SNGF) sy ireo andrim-panjakana hafa.
🔴 Mitondra fiovana tsara ho an’ny Malagasy hatrany ny fandaharan’asan’ny RINDRA indrindra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ary ny fanamafisana ny fitantanana ny tontolo iainana.
🔴 Noho ireo rehetra ireo vonona kokoa hiatrika olana ara-toekarena sy ara-tontolo iainana i reo mponina marefo, ka miantoka ny fampandrosoana
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟱 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…