DISTRITRA MORONDAVA TSY VITA OMALY NY FANDRAISANA NY FIROTSAHAN-KOFIDIAN’IREO KANDIDA NOHON’NY FAHATAPAHAN’NY JIRO

207 0

Hatramin’izao fotoana hanoratana izao dia mbola ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny taratasy firotsahan-kofidian’ireo kandida ny OVEC Morondava satria tapatapaka foana ny jiro omaly eny fa nadia natsoina aza ny talehan’ny Jirama dia hatramin’ny 12 alina ihany ny jiro no nalefany fa tsy nety nandefa intsony izy tao aorian’io ora io na dia mbola nisy kandida roa mbola tokony ho raisina aza tsara ho marihina moa fa samy tonga talohan’ny tamin’ny 5 ora hariva avokoa  ireo kandida ireo ary efa nomen’ny CED laharana avokoa fa teo amin’ny fikirakirana sy fandaminan’ireo kandinda ireo atotan-taratasy no ela niampy ny fahatapahan’ny jiro ihany maro tamin’ireo kandida moa no niandry ny ora farany vao tonga hanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany ka isany nahatonga izao fahatarana izao .

26 moa no isan’ireo kandida nmpilatsaka ho fidiana ho an’ireo kaominina 6 mandrafitra ny distrikan’ny Morondava ka 3 amin’ireo ihany no vehivavy ary 15 dia nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina raha 6 ny IRMAR 1 kosa natolotry ny ARB ary 4 no natolotry ny firaisankina .

Mbola anatin’ny asa tanteraka moa ireo ratsaman-gaikan’ny CENI ato amin’ny distrikan’ny Morondava amin’izao ora izao .

Nangonon’i RA PA

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…