Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro | Kara-tany miisa 897 no voazara

580 0
Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro | Kara-tany miisa 897 no voazara
Natolotra androany tao Vohilava,CR Antetezambaro ny Kara-tany miisa 897. Ireo mponina ao anatin’ny CR Antetezambaro no nisitraka izany.
Ezaka ataon’ny Fitondram-panjakàna ny fanamorana ny fisitrahan’ny vahoaka ny tany,ka tafiditra amin’izany ity fizaràna kara-tany faobe ity.
Nanome voninahitra izany lanonana fizaràna kara-tany izany ireo Solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Toamasina II.
Notokanana androany ny tranon-tsekoly vaovao ao Vohilava ,Fokotany Marotanindrazana,CR Antetezambaro.
Nahatsapa ny Ben’ny Tananan’ny CR Antetezambaro Atoa Andriamihaja Jeannot Desiré fa laharam-pahamehana ny hanamboarana tranon-tsekoly vaovao ao antoerana, ka izay no antony nanaovana ity tranon-tsekoly vaovao ity. Vola avy amin’ny kaominina no nanamboarana sy nampitaovana io tranon-tsekoly io.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo Solombavam-bahoaka roa ,voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Toamasina Faharoa,Atoa ROILAHY Jonah sy Atoa Randrianary Thierry Didier.
Ny Lehiben’ny Cisco Toamasina II,Atoa Guy Hervé Iarison dia nanolotra fisaorana sy nidera ny ezaka vitan’ny Ben’ny Tananan’ny CR Antetezambaro,indrindra fa amin’ny Lafiny fanabeazana.
 » Hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana azon’ny mpianatra satria hampirisika azy ireo hianatra tsara ny fisian’ny foto-drafitr’asa toy izao » hoy izy.
Nangonin’i Claudia TSITOLOMY

Related Post

Distrikan’Ambatondrazaka | Akon’ny andron’ny 08 MARTSA

Posted by - mars 8, 2025 0
« 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy…