Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro | Kara-tany miisa 897 no voazara

370 0
Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro | Kara-tany miisa 897 no voazara
Natolotra androany tao Vohilava,CR Antetezambaro ny Kara-tany miisa 897. Ireo mponina ao anatin’ny CR Antetezambaro no nisitraka izany.
Ezaka ataon’ny Fitondram-panjakàna ny fanamorana ny fisitrahan’ny vahoaka ny tany,ka tafiditra amin’izany ity fizaràna kara-tany faobe ity.
Nanome voninahitra izany lanonana fizaràna kara-tany izany ireo Solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Toamasina II.
Notokanana androany ny tranon-tsekoly vaovao ao Vohilava ,Fokotany Marotanindrazana,CR Antetezambaro.
Nahatsapa ny Ben’ny Tananan’ny CR Antetezambaro Atoa Andriamihaja Jeannot Desiré fa laharam-pahamehana ny hanamboarana tranon-tsekoly vaovao ao antoerana, ka izay no antony nanaovana ity tranon-tsekoly vaovao ity. Vola avy amin’ny kaominina no nanamboarana sy nampitaovana io tranon-tsekoly io.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo Solombavam-bahoaka roa ,voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Toamasina Faharoa,Atoa ROILAHY Jonah sy Atoa Randrianary Thierry Didier.
Ny Lehiben’ny Cisco Toamasina II,Atoa Guy Hervé Iarison dia nanolotra fisaorana sy nidera ny ezaka vitan’ny Ben’ny Tananan’ny CR Antetezambaro,indrindra fa amin’ny Lafiny fanabeazana.
 » Hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana azon’ny mpianatra satria hampirisika azy ireo hianatra tsara ny fisian’ny foto-drafitr’asa toy izao » hoy izy.
Nangonin’i Claudia TSITOLOMY

Related Post

𝐃𝐑𝐄𝐍 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝟕,𝟗𝟎% 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐎 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐈𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀

Posted by - janvier 24, 2025 0
Nanantanteraka fiarabana tratrin’ny taona ny fitaleovam-paritry ny fanabeazam-pirenena ato Menabe niaraka tamin’ny farimpiadidiam-pampianarana Morondava ka nandritra izany no nitondran’ny talem-paritra…