TOBY FIADANANA FLM PORT-BERGE | NAMOAKA MPIANDRY VAOVAO MIISA 34 NANDRITRA NY FANKALAZANA NY FAHA-11 TAONANY. HIASA ATO ANATY SP SOFIA IRETO ANDIANY VAVOLOMBELONA IRETO.

417 0
Feno 11 taona tamin’ity taona 2024 ity ny Toby Fiadanana miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza. Ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Ankorovaka Port-Bergé no misy an’ity Toby ity izay nitsaboana ny marary nanomboka ny taona 2013.
 » Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika hianareo » (2Tim. 1:8a) no teny fanevana tamin’izao isankerintaona faha XI izao. Izany dia nanomboka tamin’ny alahady 25 Aogositra ary nofaranana tamin’ny zoma 30 Aogositra 2024.
Fangataham-pitahiana, fampianarana, lahateny, fijoroana ho vavolombelona, toriteny, antsampanahy, filaharambe, vavaka, fanasan-tongotra, fandraisana fanasan’ny Tompo , asa sy fampaherezana ary fitokanana mpanombon’ Andriamanitra no zava-nisy tao amin’ny Toby nandritra izay 06 andro izay.
Ka mpiandry vita fianarana sy fiofanana miisa 34 mianadahy misalotra anarana VAVOLOMBELONA no nitokanana tamin’ny famaranana ny 30 Aogositra. Ho tena vavolombelona mahatoky, sahy mijoro, matotra no tso-drano nampiavaka azy andiany ireto. Hiasa avy hatrany ato amin’ny SP Sofia avokoa izy ireo.
Kristianina Loterana maro avy amin’ireo Fileovana 06 mandrafitra ny Synodam-Paritany Sofia notarihan’ny Pastorany avy no tonga nanotrona izany fotoana izany. Ankoatra izay dia nahitana Ray aman-dReny avy amin’ny Synodam-paritany hafa ihany koa toy ny Boeny sy Antananarivo tonga niara-nivavaka sy nizara hafatra taty Port-Bergé.
Pastora Eugène Bernard, Filohan’ny FLM SP Sofia no nitondra ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny tampon’ ny fivoriana ny zoma 30 Aogositra 2024. Nanome voninahitra ny fotoam-piavavahana , niaraka niangona tamin’ny mpino ireo mpitondra ara-panjakana vitsivitsy eto an-toerana.
Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝑵𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑶𝑭𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑵𝒀 𝑴𝑶𝑭𝑶𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑶 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑵𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 ᴀʟᴀʀᴏʙɪᴀ…