饾悈饾悎饾悐饾悁饾悓饾悂饾悁饾悕饾悁饾悕饾悁 饾悁饾悈饾悈 饾悁饾悑饾悁饾悗饾悡饾悜饾悁

190 0
Anio Sabotsy 31 Aogositra 2024 no nanatanterahana ny lanonana fanolorana sy fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny mpandrindram-paritry ny fikambanana AFF aty Alaotra.
Tonga nitarika ny lanonana ny filoha Nasionaly Ramatoa Haingo RAVATOMANGA nontron’ireo mpitarika amin’ny birao Nasionaly, sy ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy ato anivon’ny faritra, ary ireo olo-manakaja maro sivily sy miaramila.
Nandritran’ny lanona ihany koa no nampafantaran’Andriamatoa mpandrindram-paritry ny Fikambanana Andry sy Fotototra ho an’ny Fampandrosoana aty Alaotra RAJAONARIVELO Andry Nirina ireo ekipa mpitarika amin’ireo Distrikan’ Ambatondrazaka, Amparafaravola ary ny Distrikan’Andilamena.
馃摑 Nangonin’i 饾懗饾拹饾挆饾拏 饾懕饾拏饾拸饾拏虁

Related Post

Voin-kava Mahatratra

Posted by - juin 18, 2024 0
Nitrangany hain-trano mahatsiravina tao amin’ny Fokontany Ambatamandey, kaominina Tanambao Daoud, Distrikan’i Sambava omaly Ka tsy niandry ela ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny…