FARITANY MAHAJANGA | OLONA 1000 NIARA-NISITRAKA FANAMPIANA ARA-TSOSIALY

218 0

FARITANY MAHAJANGA | OLONA 1000 NIARA-NISITRAKA FANAMPIANA ARA-TSOSIALY AVY AMIN’NY VPAN SOAFILIRA PRINCIA TAMIN’NY ALALAN’NY ZOMA FIFANAMPIANA.

Hetsika nanamarika an-dRtoa Soafilira Princia nandritra ny nitazomany ny andraikitra Minisitry ny Mponina azy ny fisian’ny hetsika « Zoma Fifanampiana ».

Tetikasa nataony ho fizarana sy fanampiana sokajin’olona fa indrindra ireo marefo amin’ny alalan’ny tohana ara-tsosialy.

Mitohy izany amin’izao izy Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Faritany Mahajanga izao. Ka mponin’ny Disitrikan’i Mahajanga I avy amin’ireo fokontany 26 voasokajy ho tena sahirana miisa 1000 no nahazo anjarany ny zoma 16 Aogositra teo amin’ny tokotany malalaky ny Tranoben’ny Kolontsaina Boeny. Vary 25kg, menaka 1litatra, ronono mandry iray boaty no azon’ireo mpisitraka tombontsoa.

Nanome voninahitra an’izao fotoana notarihan’ny VPAN Mahajanga Soafilira Princia izao ireo Governora sy Solombavambahoaka ary Loholona voatendry sy voafidy anaty Faritany Mahajanga. Fantatra moa hitohy amin’ny toerana hafa ny hetsika amin’ny fotoana manaraka.

Nampitain’i Gabin Eloi

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆.

Posted by - octobre 3, 2023 0
𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆. Miantsoroka andraikitra sarotra, mihatra aman’aina ny mpanao gazety, manatanteraka ny…