MAMPIRAY SAINA NY MPONINA ANATIN`NY KAOMININA ENTINY NY BEN`NY TANANA ANTSOHA

541 0
✦Mamelona firaisankina sy fahazotoana hanatratra tanjona iraisana ny fisian`ny fifaninanana lalao baolina kitra karakarain`ny Kaominina ambanivohitra Antsoha tarihan`ny ben`ny tanana, Tianjara Arvel. Efa tapa-bola izay no nandeha ny lalao andraisan’ny fokontany 8 anjara anatin`ny kaominina Antsoha distrikan`i Mndritsara. Efa madiva ho farana izany, omaly alahady 11 aogositra 2024, tontosa ny lalao manasa-dalana nihaonan`ny ekipan`ny Antanjano nandresy 3 – 1 an`i Andranohorefo ary Ampondrabe nandavo 4 – 3 ekipan`i Ambodilengo.
Hiatrika famaranana amin`ny alahady ho avy izao ny ekipan`ny Antanjano sy Ampondrabe ka ao Antanjano no hatao ny lalao, omby lahy matavy iray no amboara iadiana amin`izany.
Vahoaka maro no resilahatra amin`ny fampiraisana vahoaka ao anatin`ny kaominina Antsoha izao ka manohana ny hetsika. Ankatoka fialantsasatra izao dia misy fialamboly ny tanora sy ny vahoaka izay mpijery ny lalao ka afapo amin`ny ezaka ataon`ny kaominina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐒𝐘 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 29, 2024 0
𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮(06) 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗼𝗵𝗶𝗿𝗼𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗧𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗼𝗸𝗲 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗲𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆.   𝗧𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆…