MAMPIRAY SAINA NY MPONINA ANATIN`NY KAOMININA ENTINY NY BEN`NY TANANA ANTSOHA

258 0
✦Mamelona firaisankina sy fahazotoana hanatratra tanjona iraisana ny fisian`ny fifaninanana lalao baolina kitra karakarain`ny Kaominina ambanivohitra Antsoha tarihan`ny ben`ny tanana, Tianjara Arvel. Efa tapa-bola izay no nandeha ny lalao andraisan’ny fokontany 8 anjara anatin`ny kaominina Antsoha distrikan`i Mndritsara. Efa madiva ho farana izany, omaly alahady 11 aogositra 2024, tontosa ny lalao manasa-dalana nihaonan`ny ekipan`ny Antanjano nandresy 3 – 1 an`i Andranohorefo ary Ampondrabe nandavo 4 – 3 ekipan`i Ambodilengo.
Hiatrika famaranana amin`ny alahady ho avy izao ny ekipan`ny Antanjano sy Ampondrabe ka ao Antanjano no hatao ny lalao, omby lahy matavy iray no amboara iadiana amin`izany.
Vahoaka maro no resilahatra amin`ny fampiraisana vahoaka ao anatin`ny kaominina Antsoha izao ka manohana ny hetsika. Ankatoka fialantsasatra izao dia misy fialamboly ny tanora sy ny vahoaka izay mpijery ny lalao ka afapo amin`ny ezaka ataon`ny kaominina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘

Posted by - février 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘 (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐣𝐚𝐤𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…