Fonjan’Ambalatavoangy Toamasina: Tontosa androany ny fizarana mari-pahaizana ho an’ireo voafonja miisa 95

272 0
Tontosa androany ny fizarana mari-pahaizana ho an’ireo voafonja miisa 95,izay nisitraka fiofanana arak’asa.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Mpitantana ny Fonjan’Ambalatavoangy ,amin’ny fampisitrahana ny zo fototra maha olona an’ireo voafonja.
Atao ny fampiofanana arak’asa mba ahafahan’izy ireo manana asa ka tsy ho vesatra amin’ny fiaraha-monina rehefa mivoaka ny fonja. Mandritran’ny telo volana izy ireo no nampiofanina,ka ao ireo niofana mahakasika ny taovolo (coiffure), pâtisserie et cuisine, Coupe et Couture, ary développement Personnel.
Ireo fiofanana ireo no tontosa dia nohon’ny fiaraha-miasa amin’ny Aumônerie d’Adventiste Toamasina.
Nohamafisin’ny Rtoa Francka Figaro,Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja fa zava-dehibe ny fanomezana fiofanana ireo voafonja ka nankasitraka hatrany ny mpiara-miombon’antoka izy ireo,ka notolorana mari-pakasitrahana ireo mpampiofana noho ny ezaka ataony.
Voafonja niofana andiany faharoa ireto nahazo mari-pahaizana androany ireto,fa mbola hotohizana io fiofanana arak’asa omena ny voafonja io, hoy ny Lehiben’ny Fonja Toamasina Atoa Vonjy Stéphanson.
Izao ezaka izao no atao mba ho fampiomanana ireo voafonja hiverina amin’ny fiaraha-monina.

Related Post

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐀𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝑵𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑶𝑭𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑵𝒀 𝑴𝑶𝑭𝑶𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑶 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑵𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 ᴀʟᴀʀᴏʙɪᴀ…