Ankazoabo Sud | FANAMAFISANA NY LAMINA EFA NISY EO AMIN’NY PAIKADY FANDRINDRANA FAHANDRIAM-PAHALEMANA

363 0
Ho tohin’ny mahazatra dia notanterahana androany faha 09 jolay 2024 tao amin’ny efitrano malalaky ny birao tobim-paritra Ankazoabo sud ny fivoriana fanamafisana ny fandriam-pahalemana, izay notarihin’ny Kapiteny RANDRIANANDRANDRAINA Leonson Erny, commandant Compagnie G.N Ankazoabo Sud tamin’ireo fokontany miisa 03 izay ao anatin’ny kaominina Fotovolo:
-Fokontany Ambatomainty
-Fokontany Amberomena
-Fokontany Andranoteraky.
♟️Nifototra tamin’ny fampianarana sy fanentanana ny fotoana niarahana tamin’ireo Voromahery 🦅 isan-tanana.
♟️Nisy iany koa toromarika izay mifandraika amin’ny filaminana indrindra ny fiarovana ny tanana.
🎉Resy lahatra tanteraka izy ireo nandritra izany ary naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-misalahy amin’ny fampandriana ny fahalemana maharitra.
🆘 Mitovy amin’ny fahasalamana lehireo gny fahandriampahalema, tsy afaky magnatanteraky asa andavandro raha tsisy azy. Tsy aleo Salama toy izay harary, aza mandoto rano hiketreha fa antsika avao ro voan’io fa tsy olo hafa
Loharanom-baovao :Cie GN Ankazoabo Sud 
Nangonin’i Bevomaso

Related Post

𝐌𝐚𝐞𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚̀𝐧𝐚: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐟𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂 𝐑𝐄𝐆 𝐁𝐞𝐭𝐬𝐢𝐛𝐨𝐤𝐚.

Posted by - mars 19, 2026 0
𝐌𝐚𝐞𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚̀𝐧𝐚: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐟𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂 𝐑𝐄𝐆 𝐁𝐞𝐭𝐬𝐢𝐛𝐨𝐤𝐚. Tao amin’ny…