Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

27 0
ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ π€πβ€™πˆ π‘π€πŒπ€π“πŽπ€ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π‹π€π‡πˆπƒπˆπβ€™ππ˜ ππˆπ‘π€πŽπŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀
πŸ”· Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana ny fahasimbana nisy tamin’ny Biraom-pokontany teto Tsarafara, nohon’ny fahaterany izay efa ela dia ela tokoa no nampiasaina azy ity, ary Filoham-pokontany maro no efa nifandimby nitantanana izany Biraom-pokontany izany.
πŸ”· Fantatra ihany koa fa anisan’ny Fokontany be Mponina indrindra ato amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana izany Fokontany Tsarafara izany
πŸ”· Noho izany indrindra, dia nanao ezaka fitia tsy mba hetra ny mponina, ary nangonina izany, dia nomena ny Kaominina Sabotsy Namehana, izay nameno ny banga rehetra, ka nahavitana nanova y endriky ny Biraom-pokontany amin’izao endriny vaovao izao.
πŸ”· Tonga nitarika ity lanonam-panokafana ity ny Ben’ny Tanana (teo aloha) izay efa voafidy ho solombavambahoakan’i Madagasikara ANDRIAMOSA Avotraina, notronin’ireo Mpiara-miasa akaiky aminy. Tonga nanome Voninahitra izany koa ny lehiben’ny Boriboritany eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana. Ary tsy diso anjara ihany koa ny Ramatoa Filohan’ny Fokontany sy ny Mponin’ny FKT Tsarafara rehetra.
πŸ”· Nandritra ny lahateny nifandibiasana no nilazan’Andriamatoa Solombavambahoaka, fa rehefa samy manao ny ezaka vitany ny tsirairay, dia mivaingana ny asa, ary hapetraka ho lovain-jafy.
πŸ”· Nankasitraka izao fanomezana foto-drafitr’asa hoan’ny daholobe izao ny Filohan’ny Fokontany, izay nisolontena ny vahoaka manontolo, ary nilaza mazava fa hitandro toy ny anankadriamaso ity Birao vao avy nohavaozina ity, indrindra fa ny lalan-tsaina entina-miasa ao anatiny.
Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - dΓ©cembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑢𝑻𝑢𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’…, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…