TOAMASINA: Mpangalatra efa-dahy tratran’ny zandary sy ny fokon’olona tao Tanambao verrerie.

526 0
Ny 06 jolay 2024 tokony ho tamin’ny 07 ora maraina ,dia nahazo antso tamin’ny olona tsara sitram-po ny Kaomandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria,ny GPHC Rivo Randriamilamina,fa tratehaky fokonolona izy telo lahy ireo. Efa naratra bé tratran’ny fitsaram-bahoaka,ary tonga ny Zandary naka azy ireo.
👉Noentina notsaboina tamin’ny Hopitaly ary natao andrimaso ato amin’ny Tobi-paritry ny zandary eto toamasina. Nandrava sy nangalatra tao amin’ny tokantrano maromaro izy ireo, dia tao Mangarano ,Mangarivotra ary Tanambao Verrerie araka ny fanadihadiana nataon’ny Zandary.
👉Nandritra ny fisavana ny tranon’iray tamin’ireo mpangalatra ireo dia entana maromaro no hita tao.
👉Marihana moa fa nanampy ny Zandary tamin’ny fitondrana ireo olon-dratsy ireo , ny Polisy ao amin’ny Commissariat Mangarano.
👉Mbola misy entana hafa tsy hita ho karohina fa mbola nandositra ary karohina ny naman’ireo olondratsy mitazona azy.

Related Post

𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞 —- Toamasina: Nahazo tombony ny vahoaka ao Tanambao…