TOAMASINA: Mpangalatra efa-dahy tratran’ny zandary sy ny fokon’olona tao Tanambao verrerie.

145 0
Ny 06 jolay 2024 tokony ho tamin’ny 07 ora maraina ,dia nahazo antso tamin’ny olona tsara sitram-po ny Kaomandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria,ny GPHC Rivo Randriamilamina,fa tratehaky fokonolona izy telo lahy ireo. Efa naratra bé tratran’ny fitsaram-bahoaka,ary tonga ny Zandary naka azy ireo.
👉Noentina notsaboina tamin’ny Hopitaly ary natao andrimaso ato amin’ny Tobi-paritry ny zandary eto toamasina. Nandrava sy nangalatra tao amin’ny tokantrano maromaro izy ireo, dia tao Mangarano ,Mangarivotra ary Tanambao Verrerie araka ny fanadihadiana nataon’ny Zandary.
👉Nandritra ny fisavana ny tranon’iray tamin’ireo mpangalatra ireo dia entana maromaro no hita tao.
👉Marihana moa fa nanampy ny Zandary tamin’ny fitondrana ireo olon-dratsy ireo , ny Polisy ao amin’ny Commissariat Mangarano.
👉Mbola misy entana hafa tsy hita ho karohina fa mbola nandositra ary karohina ny naman’ireo olondratsy mitazona azy.

Related Post

𝐋𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐓𝐈𝐄 𝐌𝐎𝐁𝐈𝐋𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 « 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐓 𝐊𝐎𝐓𝐎

Posted by - mars 24, 2025 0
𝘽𝙀𝙏𝘼𝙇𝙀𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙎𝙔 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙏𝙊𝙈𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼, 𝙁𝙊𝙆𝙊𝙉𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙉𝙄𝙎𝘼𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙈𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙃𝘼𝙇𝘼𝙏𝙍’𝙊𝙈𝘽𝙔 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙆𝘼𝙊𝙈𝙄𝙉𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝙄𝙑𝙊𝙃𝙄𝙏𝙍𝘼 𝘽𝙀𝙈𝘼𝙄𝙏𝙎𝙊, 𝘿𝙄𝙎𝙏𝙍𝙄𝙆𝘼 𝘼𝙉𝘿𝙄𝙇𝘼𝙈𝙀𝙉𝘼. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandà…