AKON’NY FAMOHAM-BOKATRA OFISIALY TENY AMIN’NY FITSARANA AVON’NY LALAM-PANORENANA

293 0
Nitombo an-dalana toy ny dian’andriana ny Kandida lany tamin’ny anaran’ny IRMAR na ny Isika Miaraka amin’i Andry Rajoelina, rehefa nofoanana tsy hanan-kery ny vato azon’ireo Kandida tsy miankina tao amin’ny anatin’ny Distrika miisa 02, vokatr’izany dia lasa nandresy ny Kandida ny Irmar, dia tao amin’ny Distrika Moramanga, ary ny Distrikan’i Maevatanana.
Koa raha ny voakatra ofisialy navoakan’ity Andrim-panjakana afaka mamoaka ny Didy tsy azo ivalozana ity arak’izany dia manana ny toerana an-tsasamanila eny Tsimbazaza ny Vondrona IRMAR, izay nahazo toerana 83, raha 52 ny Solombavambahoaka Mahaleon-tena, ary 22 kosa ireo Kandida natolotry ny Vovonana Firaisankina.
Fa anisan’ny zava-tsikaritry ny be sy ny maro, rehefa notononina ny vokatra avy any amin’ny Distrikan’ny Faratsiho, ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, dia horakoraka no heno nanakoako eran’ny trano, ary tafapaka hatrany ivelany mihintsy aza, eny fa na dia efa nilaza mialoha aza ny Filohan’ny HCC, Andriamatoa Florent RAKOTOARISOA no tsy hanasiana fihetseham-po, ary nohamafisiny indroa miantohana mihintsy izany, kanefa tsy tana intsony ny zava-misy.
Milaza samy afam-po tamin’iny vokam-pifidianana iny avokoa ireo Kandida rehetra nilatsaka ho fidiana ka nibata ny fandresena.
Mba ho ten solombavambahoaka hiteny anie, fa tsy solombavambahoaka hihinana e !
Mahaleohova mahalasana avokoa..
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 – 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐬𝐢𝐩𝐚𝐥𝐲.

Posted by - septembre 4, 2024 0
Nisy ny sehatra nifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora eto Antsirabe Ambonivohitra androany 02 septambra.…

𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟬𝟵 -𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟮𝟱 »

Posted by - février 7, 2025 0
 » 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒚 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒕𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒃𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒍𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒍𝒂𝒗𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 »…