COTRASAM PLUS NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TETO MORONDAVA

102 0

Ny sabotsy 22 jiona no notanterahana ny lanonana nitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny tobim-piatsonana COTRASAM PLUS Morondava izay notarihan’ny Prefet an’ny Morondava Rafidison Fidel sy ny talem-paritry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetrandro Menabe Andriamatoa Randriamanampisoa Xavier ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaoperativa COTRASAM rehetra ary notronon’ireo solon-tenam-panjakana ato Menabe .
Isany nahazo tombotsoa amin’ny fisian’ny Cotrasam plus ny faritra Menabe hoy ny Governoran’ny Faritra Menabe satria izao fanokafana ny zotra Morondava sy Antananarivo izao dia manome asa ho an’ny tanora eto Morondava izao fisian’ny tobim_piantsonana vaovao izao ary nisaotra ny Tomponandraikitra avy eo amin’ny Cotrasam ihany koa ny tenany tamin’ny fotodrafitr’asa izay sady manome endrika ny tanana ihany koa nilaza moa izy fa ity tobim_piantsonan’ ny cotrasam plus ity no tombim_piantsonana tsara indrindra ato Menabe ary derainy manokana ny fitsinjovana ireo olona manana fahasembanana tamin’ny fananganana ny tombim_piantsonana satria dia misy ny lalana natokana ho an’ireo manana fahasembanana noho izany hoy ny Governoran’ny Faritra Menabe dia vonona hiara dia amin’ny Cotrasam plus amin’ny fampandrosoana ny faritra ny fitondram_panjakana ato Menabe .
Isany ny mampiavaka ny Cotrasam plus hoy Andriamatoa Philippe Rasolondraibe tompon’andraikitra eo anivon’ny Cotrasam plus ny tolotra izay omeny izy ireo ny mpanjifa eo koa ny fanajana fotoana sy ny fitoriana ny filazan_tsara ihany koa ny cotrasam plus ary manaja hatrany ny tontolo iainana, eo koa ireo mpamily izay efa ampy traikefa sy nampiofanina manokana amin’ny fandraisana ny mpandeha sy ny fahadiovana ary ny filaminana indrindra ny fanajana fotoana.
Roa isan’andro ny fiaingana eto Morondava dia ny amin’ny 3 ora Maraina sy 11 ora atoandro.
Ny teny filamatra ny kaoperativa cotrasam plus moa dia ny hoe « Ndao hiara_dia » izay sady manentana ny rehetra ihany koa satria dia hiainan’ireo mpiasa mpiasa ao amin’ity kaoperativa ity zany amin’ny fandraisana sy fikarakarana ireo mpandeha.
Samy niaiky ny rehetra tonga nanatrika ity lanonana fitokana ity tobim_piantsonana ity fa raitra sy manarampenitra ny fotodrafitrasa ary ireo mpandeha izay efa nandeha tamin’ity cotrasam plus ity izay tojo anay nanotaniana dia nilaza afa_po avokoa na ny kalitaon’ny fiara na ny fandraisana na ny mpamily tsy misy kianina hoy izy ireo ka hirariana ny ho toizany hatrany fa na lavitra ary ny aleha na eo aza ny hatsarian’ny lalana dia tsy mahatsiaro reraka ianao mandeha amin’ny Cotrasam plus hoy ny mpandeha iray tojo anay tsy zay ihany fa mbola misy koa ny wifi ao anaty fiara.
✍️Ra_Pa Menabe

Related Post

𝐏𝐑𝐄𝐅𝐄𝐊𝐓𝐈𝐎𝐑𝐀𝐍’𝐈 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑶𝑹𝑰𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑷𝑶𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑵𝑲𝑨𝑷𝑶𝑩𝑬𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑱𝑨𝑲𝑨𝑵𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑵𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒀…