Finoana: FIANGONANA LOTERANA MALAGASY

9 0

Finoana: FIANGONANA LOTERANA MALAGASY

Tontosa omaly Alahady 07 Desambra 2025, ny famaranana ny KMSL (Komity Mpiandraikitra ny Synoda Lehibe) 151, tao amin’ny Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra.
Raha eo amin’ny Rafitry ny Fiangonana Loterana Malagasy, dia ity no rafitra ambony mpanampam-kevitra ny Fiainan’ny FIangonana FLM, izay eo ambanin’ny fiahian’ny Synoda Lehibe (SL) izay fahefana faratampony.
Nandritra ny famaranana ny fivoriana izany, dia maro ireo Kristiana tonga tao anatin’ny Synodam-Paritany Onive, ary tonga maro ihany koa ireo solotenam-panjakana avy amin’ny foibe, toy ny Rtoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina, Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Atoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, Rtoa ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angèle, Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana
Atoa Fetra Ralambozafimbololona, Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, Ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor ary Ireo olomanankaja Sivily sy Miaramila sy ireo rafim-panjakana teny an-toerana.

Nisy ny fandraisam-pitenenana ka nisolon-tena ny mpandray vahiny ny Solombavambahoakan’ny Madagasikara izay voafidy tao amin’ny Distrika an’Antanifotsy, Atoa Narison RAFIDIMANANA, ary tamin’izany no nanehoany ny fifaliany tamin’ny nahatongavan’ireo Olom-piangonana manerana ny nosy tonga namangy an’Antanifotsy.
Ny avy amin’ny Foibe fanjakana kosa dia Rtoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina, Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, izay naneho hatrany fahavononana hiara-hiasa amin’ny fiangonana Loterana Malagasy, ary nanambara ny fiaraha-miasa amin’ny fikaonandoham-pirenena.
Namarana ny fandraisam-pitenenana moa ny Filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, ary nilaza ny tenany fa eo hatrany Fiangonana amin’izay fiaraha-miasa tandrify ka mahasoa ny vahoaka Malagasy sy ny Kristiana.

Nangonin’i Yves RAZAFIHARISON

Related Post

𝐅𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐃𝐕𝐀𝐍𝐓𝐈𝐒𝐓𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎 | ‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑶𝑴𝑷𝑶𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑽𝑨𝑽𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑽𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑲𝑨𝑳𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑯𝑨 30 𝑻𝑨𝑶𝑵𝑨

Posted by - novembre 15, 2025 0
𝐅𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐃𝐕𝐀𝐍𝐓𝐈𝐒𝐓𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎 | 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐃𝐈𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 ‎𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐚 ‎ ‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀…