π“π€π…π€ππ„π“π‘π€πŠπ€ 𝐍𝐘 π„π•π€πŠπ€ π•π€πŽπ•π€πŽ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 πƒπˆπŽπ’π„π™πˆπ’π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€

180 0
Tontosa androany Alahady 13 Oktobra 2024 ny Eokaristia Masina nanamasinana sy nametrahana an’i Mgr Orthasie Marcellin HEHIVONJILALAINA ho evekan’ny Diosezin’Ambatondrazaka izay natao tao amin’ny « Centre Victoire RasoamanarivoΒ Β» Ambatondrazaka.
« Mba ho iray ihany anie izy rehetra Β Β» (Joany 17,21) no teny faneva nosafidiany tamin’izao fametrahana azy izao ary Son Eminence Monseigneur Tomasz GRYSA izay nonce apostolique eto Madagasikara, Son Eminence Cardinal DΓ©sirΓ© TSARAHAZANA, ary Son Excellence Monseigneur Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA sy ireo fivondronambean’ny eveka manerana ny Nosy no tonga nanamasina ny fametrahana azy.
Ankoatran’ireo mpino Kristianina maro be dia tonga niara niombom-bavaka tamin’ireo vahoaka ihany koa ny Solontenan’ny fiadidian’ny Repoblika avy amin’ny « Direction en charge de la relation Cultuelle et communautaireΒ Β», sy ireo tompon’andraikitra isan’ ambaratongany avy nahitana ireo olom-bofidy sy olom-boantendry ato anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro ary olo-manakaja maro sivily sy miaramila.
Nangonin’iΒ  𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post