π”π§π’π―πžπ«π¬π’π­πžΜ π…π’πšπ§πšπ«πšπ§π­π¬π¨πš 𝐌𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐒𝐬𝐚 πŸπŸ’πŸ 𝐧𝐨 𝐧𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐒𝐦-𝐩𝐚𝐑𝐚𝐒𝐳𝐚𝐧𝐚 π‹π’πœπžπ§πœπž.

223 0
βœ…Mpianatra avy amin’ny sampam-pampianarana Institut des Sciences et de Technique de l’environnement na ISTE no navoaka tamin’ny fomba ofisialy androany 12 Jiona 2024 tao amin’ny Kianjan’ny Serasera sy LMD , andiany MIRAY nanovo fianarana tao amin’ny sampam-piofanana Agronomie, Environnement, Technologie, Tourisme Management miisa 241 no nozaraina mari-pahaizana LICENCE.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny DAGR ny faritra Matsiatra Ambony izay misolon-tena ny Governoran’ny Faritra, Adjoint PrΓ©fecture, tale iraisam-paritra,ny solotenan’ny mpikambana ny filan-kevim-pitantana eto amin’ny oniversiten’ i Fianarantsoa.
Nitondra fisaorana ho an’ny mpitantana sy ny Tompon’andraikitry ny sekoly ny filohan’ny Oniversiten’ i Fianarantsoa Pr HAJALALAINA AimΓ© Richard tamin’ny ezaka fanatsarana ny kalitaom-pampianarana na dia tao ny fahasahiranana maro samy hafa, nitondra hafatra ho an’ny mpianatra koa ny hananana traik’efa satria ny fahalalana miaraka amin’ny traik’efa no mivadika ho fahombiazana
πŸ“Έ UniversitΓ© Fianarantsoa

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - fΓ©vrier 4, 2024 0
π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€ππ€ π€ππƒπ‘π˜ π’π˜ π…πŽπ“πŽπ“π‘π€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€ππ€ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ ππŽπ‘πˆππŽπ‘πˆπ“π€ππ˜ π…π€π‡π€πŸ π’π˜ 𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’π“π„π‘π€πβ€™ππ˜ π…π€π‡π€π’π€π‹π€πŒ-ππ€π‡πŽπ€πŠπ€ Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…