𝐆π₯π¨π›πšπ₯ 𝐌𝐨𝐧𝐞𝐲 π–π„π„πŠ-π†πŒπ–

249 0
Firenena maherin’ny 176 maneran-tany no mankalaza ny herinandro maneran-tany momba ny vola na ny « Global Money WEEK-GMWΒ Β» isan-taona.
 
πŸ‘‰ Ho an-tsika eto Madagasikara dia mankalaza izany isika nanomboka ny 11 ka hatramin’ny 24 Martsa 2024 ary hetsika maro samy hafa no hoentina hanamarihana izany.
 
πŸ‘‰Anisan’ny mandray Anjara mavitrika amin’izao fankalazana izao ny « Association Ank’izy MadagasikaraΒ Β», ka ankoatra an’ireo Faritra hafa izay misy ity « associationΒ Β» ity dia nahazo tombony manokana ny tao amin’ny Lisea Morarano Chrome satria ao ihany no misy azy aty Alaotra Mangoro.
 
πŸ‘‰Nisy araka izany ny fanabeazana ara-bola (Γ©ducation financiΓ¨re) izay nifam-pizarana tamin’ireo mpianatra tamin’ity sekoly ity androany Alarobia 13 Martsa 2024 ho fanamarihana ny andro maneran-tany momba ny vola izay nifantoka tamin’ny lohahevitra: « arovy ny volanao, tsinjovy ny hoavinaoΒ Β» ary ny tanjona dia ho fampahafantarana sahady ny mpianatra ny fanaovana teti-bola, tahiry, findramambola.
 
πŸ‘‰Niara niasa tamin’ny fanatontosana ny hetsika moa ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny teti_bola
 
Nangonin’i Lova – Ambato

Related Post

𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔

Posted by - fΓ©vrier 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 (𝐍𝐚𝐨π₯𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐑𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) πŸ“Œ Rangahy iray 40 taona nanolana…