Nahazo fanamiana vaovao ireo mpilalao baolina kitra ao aminβny Fokontany Anosizato Est I, taorianβny fandraisana andraikitra nataonβAndriamatoa Jean Nirina Rafanomezantsoa, Filohan’ny Fokontany Anosizato Atsinana. Izy no nandray an-tanana ny fividianana sy ny fanjairana ireo akanjo fanamiana ho anβireo tanora mpilalao.
Ny loko fotsy, mena ary maitso, mitovy aminβny lokonβny sainam-pirenena Malagasy, no voafidy ho anβireo fanamiana vaovao ireo, ho mariky ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha-Malagasy.
Araka ny fanazavana navoakany, dia tsy vao izao izy no nanohana ny fanatanjahantena eny anivonβny Boriborintany fahaefatra, satria efa nisy hatraminβizay ny fizarana maillot sy survΓͺtement ho anβireo mpilalao rugby sy baolina kitra. Nohamafisiny fa fanomezana natao tamim-pitiavana tanteraka, tsy misy sandany ary tsy misy kajy politika izany, fa asa soa natao hanohanana ny tanora sy hampiroboroboana ny fanatanjahantena.
Nampahatsiahiviny ihany koa, indrindra aminβizao Taom-baovao Malagasy izao, fa ny fitiavan-tanindrazana marina dia miseho aminβny fanampiana ny Malagasy mpiray tanindrazana, ary tokony ho hita aminβny asa sy fihetsika andavanandro toy ny fihavanana, fifanampiana, fifanajana ary firaisankina.




