QUELLES SONT LES QUALITÉS PERSONNELLES INDISPENSABLES DE L’ANIMATEUR(TRICE) DE DÉVELOPPEMENT SOCIAL OU SOCIO-ORGANISATEUR(TRICE) ? 🤔
 
🔮 Mivelatra be io toetra tokony hampiavaka ireo Matihanina ireo, fa tsy mijanona fotsiny @ lafiny ara – tekinika.
🔮 Voafaritra ao daholo, ny tokony hananany toetra feno firehetampo, na  »passion », faharetana, na  »patience », fahaiza – mipetraka eo @ fihetsehampoan’ilay olona, na  »empathie », manana soatohavina anaty, na  »valeur », izay manaja ny maha – izy ilay olona eo anoloany sy ny finoany, ny fanaony ary ny mombamomba azy.
🔮 Ary satria izy ireo matetika dia mihatsehatra ifotony ao anivon’ny fiarahamonina, dia mila manana finiavana mahitsy tsimihatsaravelatsihy izy, manoloana ny asa fampandrosoana, ary manana fahatokisana tanteraka, fa afaka ny ahatratra izany, ireo mpisitraka.
🔮 Mila feheziny ary moraina izy @ fiarahamiasa miaraka @ ekipa sy ireo mpiaramiombonantoka, fa indrindra ireo manampahefana sy mpanampakevitra isantsokajiny eny ifotony, mba hisian’ny fiaraha – mientana mirindra ho @ fampandrosoana.
🔮 Fahaiza – mandamina ny savorovoro mba hilaminana sy ahitana marimaritra iraisana, fahaizana mifehy ny fampandraisan’anjara ny rehetra lavitry ny fanilihana, ny fandrindrana ny fotoana manoloana ny asa misandrahaka dia hain’izy ireo, ka porofo fa Matihanina afaka miovaova, na  »flexible », izy manoloana ny tranga eo anoloany.
 
Mpanatontosa : Malagasy Ketamanga