Tamin’ny diako farany teo dia nitsidika ny toerana ilevenany ao amin’ny tokontanin’ny LYCEE AGRICOLE ao Ivoloina, izay manalavitra 7km ny tananan’i TOAMASINA, aho. Hitanareo amin’ny sary izay arosoko etoana.
Raha mamaky ny bokin’i Père CALLET na MALZAC hianao dia tsy ahitanao ny zava miafina momban’ny tantaran’i MADAGASIKARA satria TANTARA OFISIALY mazana no voarakitra ao anatin’ireny boky ireny.
Tsy midika izany fa tsy azo vakina ireny boky ireny. Angalana fahalalana ireny mba afahanao manao asa fandalinana sy fikarohana.
Tsetsetra tsy aritra ihany moa iny ka tsy ivalaparako.
Raha amin’ny tantara voasoratra dia ny taona 1826 no niamboha na folaka ny mpanjaka mena JEAN RENE.
I JAMES HASTIE, ilay teratany anglisy izay mpanolotsainan’i RADAMA I koa dia nodimandry tamin’io taona io ihany koa.
Fa i JEAN RENE no lasa aloha.
Rehefa mamaky ireny boky ireny dia mazana nolazaina fotsiny ny vaovao fa niamboho ny mpanjaka izao na izaroa fa tsy misy filazana ny amin’ny fomba nahalasanany.
Nefa hahafantarana ny tsimbadika ara politika mikasikan’ny tantaran’andriana anefa ireny fisehoan-dravatra ireny.
Ny mikasikan’ny MPANJAKA MENA JEAN RENE koa dia azo sokajina torak’izany koa.
Nolazaina fa niamboho ny taona 1826 fa tsy nambara ny antony tampoka naha folaka azy nefa Mpanjaka mirijarija be fony fahavelony.
Ny fikarohana izay nataoko dia nahafantarako fa NISY NAMONO NY MPANJAKA MENA JEAN RENE.
I JAMES HASTIE, izay mpanolotsainan’i RADAMA I no nahavanon-doza tamin’izany.
Rehefa nanao ny fampiraharahana tamin’i Radama I ny governora ny MAURICE atoa SIR ROBERT FARQUHAR dia ny sergent HASTIE no tonga taty aoriana namita izany fifampiraharahana izany teo amin’ny roa tonta.
FANAFOANANA NY FIVAROTANA SY FANONDRANANA ANDEVO ANY IVELANY no fototr’ireo TRAITE ny 23 OKTOBRA 1817 sy 11 OKTOBRA 1820.
Mba hanonitsa ny fatiantoka rehetra amin’ny fanafoana izany fivarotana andevo izany dia nanome hoan ‘ ny mpanjaka RADAMA vola 2000 dollars sy fitaovana fanamina sy basy hoan’ny miaramilany ny governoran’i MAURICE.
Ny nomen’ny governoran’i Maurice ho anjaran’i JEAN RENE kosa indray dia 50 DOLLARS isan-bolana irery ihany eny fa na dia izy ary no mitantana ny ladoany ao Toamasina.
I JAMES HASTIE no nandeha nampahafantatra azy izany honitra( indemnité) omena azy izany.
UNE MAIGRE COMPENSATION PAR RAPPORT A CELLE DEVOLUE A RADAMA.
Niteraka ny fahatezeran’I JEAN RENE izany ka nahatonga azy mirahalahy nifamaly ary niafara tamin’ny FIFANOMPANA( INSULTE).
Nanomboka ny daty nisian’io fifamaliana io, novambra 1817, no nanombohan’ny fifankahalana teo amin’izy mirahalahy.
Fa ny mpanjakamena niezaka nanadino izany fifankahalana sy fifandirana izany satria nandray tao an-tranony lalandava an’i JAMES HASTIE rehefa miverina avy any Antananarivo na avy any Maurice.
Fa JAMES HASTIE indray kosa dia tsy nanadino ny fankahalany ny mpanjakamena eny fa na dia mamangy azy any an-tranony ary.
Miaro fankahalana sy fialonana ny azy ka teo amin’i RADAMA izy no mamorina resaka mba entina hamonoana an’i JEAN RENE.
Voalohany amin’izany, lazainy teo amin’ny mpanjaka RADAMA fa olon-dratsy JEAN RENE satria MANGALATRA ny VOLAN’NY LADOANY AO TOAMASINA.
Faharoa manaraka izany, nampitandremany ny mpanjaka fa MAMORY SY MITAONA NY BETSIMISARAKA HIADY I JEAN RENE MBA HANAFOANANA NY ZIOGAN’NY FANJAKANA MERINA.
Resaka foronina daholo anefa izany satria JEAN RENE efa nifanao fatidra tamin’i RADAMA ary nampiakarina ary ANDRIAMASINAVALONA.
Efa matetike loatra angamba ny fanaratsian’i JAMES HASTIE ny MPANJAKA MENA ka nanaiky i RADAMA tamin’ny farany amin’ny HAMONOANA ny MPANJAKAMENA.
Olona roa ry zareo no nandeha tany TOAMASINA nanatanteraka izany asa ratsy izany.
Isan’ireny i JAMES HASTIE ary ny faharoa ny DEKAN’i RADAMA(aide de camp). RAMAHALALONA ny anaran’io manamboninahitra io any amin’ny boky izay hitako.
Tonga soamatsara tany Toamasina ry zareo ary noraisin’ny mpanjaka mena soamatsara nisakafo tany aminy.
Roa andro tao aorian’ny nahatongavany no nikasan-drizareo hamonoana ny mpanjaka mena.
Tonga tany an-tranony izy mirahalahy ary nasain’i JAMES HASTIE noroahina daholo ireo MPANAMPY rehetra tao an-trano ka nasainy hanalavitra ny tranon’i JEAN RENE.
Ny antony mahatonga azy manao izany hoy ny tenany satria misy HAFATRA SAROPADY ARY TSY AZO HO FANTATR’OLONA ka tian’i RADAMA hampitaina manokana amin’ny mpanjaka mena.
Rehefa lasa daholo ireo mpanampy ka hanogilan-tsofina i JEAN RENE dia namoaka sabatra i RAMAHALALONA ka namely azy kanefa tsy nahavoa azy satria namoaka ny sabany koa i JEAN RENE ka naharatra io manamboninahitra saika hamono azy io.
Tsy hitany anefa i JAMES HASTIE tao an-damosiny ka afaka namono azy tamin’ny sabany.
Rehefa maty tsy tsa drano JEAN RENE noho ny ratra nahazo azy dia nantsoin-drizareo ireo mpanampy mba hamafa ireo ra nanenika ny gorodona.
Izy mirahalahy ihany no nandrakotra lamba ny razana dia nampiantso ny BETSIMISARAKA sisa teo an-toerana ry zareo ary nanambara fa maty teo AMPISAKAFOANANA, nohon’ny fitiavana misotro toaka i JEAN RENE.
Fa ny olona rehetra tao Toamasina tamin’izany fotoana izany dia tsy nino izany fanambarana izany satria nisy ireo mpanampy nitantara ny tena zava nisy.
Valo andro tao aorian’io namonoana ny MPANJAKA MENA io dia nodimandry tao Toamasina ilay manamboninahitra RAMAHALALONA noho ny ratra vokatrin’ny fifandonany tamin’i JEAN RENE.
Rehefa hitsapa ALAHELO ny fianakaviany i RADAMA dia nolazainy fa ny TAZO tao TOAMASINA no nahafaty ny zanany.
Tsy dila ny taona io ihany koa dia nodimandry i JAMES HASTIE ny 8 OKTOBRA 1826.
Misy farany ny zavatra rehetra.
MANKASITRAKA
NB: Extraits des notes retrouvées à la résidence de TAMATAVE in Le Signal de Madagascar n°594 du jeudi 28 octobre 1908
Sary nindramina
Nangonin’i Lysan




