Misy mpanoratra frantsay, PAUL VALERY ny anarany, izay niampanga mafy ny taranja TANTARA manoloana ny fitantanana ny hoavin’ny fiarahamonina misy antsika olombelona. Ka toy izao ny fiampangana navelany tamin’ny sorany « NOUS MARCHONS DANS L’AVENIR A RECULONS ». Raha fehezina izany no tiany hatongavana dia tsy tokony hibanjina intsony ny lasany(le passé) ny olombelona na ny fiarahamonina izay misy azy rehefa hanankina ny hoaviny.
Fahadisoana be raha izany ambarany izany no raisina satria tsy misy fahafantarana ny ANIO(Présent) raha tsy nisy jery todika ny tamin’ny LASA(Passé) ka afahana manomana sy manitsy ny HOAVY(l’avenir).
Eto dia niverenako indray ny tantara fifandraisan’ny filoha teo aloha tamin’ny fanjakana FRANTSAY rehefa nitantana ny firenena ny tenany, ny tompokolahy DIDIER RATSIRAKA no tiako tondroina amin’izany. TIA TANINDRAZANA ve sa OLON’NY FRANTSAY ny filoha nandritra ny fotoana nitondrany? Ny fizotrin’ny tantaram-pirenentsika ary ny arsiva mipetraka no manamarina fa nisy fitiavan-tanindrazana tao aminy.
Nisy dingana maromaro vao nampifoha tao aminy izany hetahetam-pitiavana izany satria tsy azo amaivanina ny sekoly miaramila frantsay izay namolavola ny tenany. Rehefa niforona ny governemanta izay notendren’ny jeneraly GABRIEL RAMANANTSOA ny datin’ny 27 mey 1972 ka lasa ministrin’ny raharaham-bahiny ny tenany dia naka azy manokana ny filoha PHILIBERT TSIRANANA ka nampitandremany ny tenany mba tsy hanakim-pitokisany amin’ny fitondrana frantsay. Toy izao ny teniny taminy sady nanehoany koa ny alahelony nanoloana iny toedraharaha ny datin’ny 13 mey 1972 iny ka nionganan’ny governemanta izay notarihiny:
« Ne leurs fait pas confiance. Les Français n’ont pas bougé. Pompidou m’a laissé tomber; Bigeard n’a rien dit…Méfiez-vous d’eux ».
Fotoana fohy taty aoriana rehefa hanavao na hanafoana ny fifandraisana ara politika, ekonomika sy miaramila teo amin’ny fanjakana Malagasy sy Frantsay ny ministrin’ny raharaham-bahiny atoa DIDIER RATSIRAKA dia nandeha tany Paris nandritra io taona 1972 io ihany. Ny solontenam-panjakana frantsay izay nandray voalohany azy tamin’izany fifampiraharahana izany dia ny ministrin’ny fifanakalozana(ministre de la coopération) atoa BILLECOQ. Tsy nilamina ny fifanantonan’izy roa tonta satria niafara tamin’ny totondry tao anaty birao io ministra frantsay io. Ito ministra frantsay ito no tsy nahatanty ny teny izay navoakan’ito ministrin’ny raharaham-bahiny malagasy rehefa nikabary ny tenany :
« NOUS NE VOULONS PLUS DE VOS ACCORDS COLONIALISTES ».
Namaly an’io teny io ilay ministra frantsay ka nilaza ny fahagagany sy ny fahasosorany hoe :
« COMMENT MADAGASCAR PEUT-IL TRAHIR LA MERE PATRIE ?
Fa ny tsy tena zakan’ilay ministra frantsay dia izy nosokajian’ny ministrin’ny raharaham-bahiny malagasy ho isan’ireo sokajin’olona manana fotom-pisainan’ ireny mpanjanaka ireny(COLONIALISTE). Naha romotra ilay ministra frantsay io teniny io ka nanadiovany ny tenany ka nanambarany hoe :
« QUOI VOUS ME TRAITEZ DE COLONIALISTE ? MAIS J’ETAIS CONTRE L’OAS »(organisation armée secrète partisane de l’Algérie française)
Tsy nahatana ny fahatezerany intsony ito ministra frantsay ito ka nitazona ny ministrin’ny raharaham-bahiny malagasy tamin’ny vozony. Ny amiraly frantsay LA HAYE izay nanatrika ilay fivoriana no nampisaraka an’izy mirahalahy tamin’io fotoana io.
Raha arakin’ny soratra any amin’ny arsiva dia nanomboka tamin’io daty fifamaliana io no nanomboka tsy natoky intsony ny minisitrin’ny raharaham-bahiny malagasy atoa DIDIER RATSIRAKA ny fanjakana frantsay. Nataon-drizareo izay fomba hanaraha maso ny fihetsiny sy ny alehany ary nisy fotoana hono notadiavin-drizareo finganina amin’ny alalan’ny fitiavam-behivavy ka vehivavy mpisehatra eny ambony raopilanina(hôtesse de l’air) ireny no natao fitaovana tamin’izany.
Ny volana jona 1972 dia nandray taratasy avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay ny lehibe ny governemanta malagasy ny Jeneraly GABRIEL RAMANANTSOA. Tamin’izany no nanambaran-drizareo fa raha hiroso ampilaminana sy ampitiavana ny fifandraisam-pirahalahiana eo amin’ny Frantsa sy Madagasikara dia tokony esorin’ny Jeneraly tsy hitantana ny ministera ny raharaham-bahiny malagasy intsony ny capitaine de frégate DIDIER RATSIRAKA.
« MON GENERAL, DONNEZ CONGE RAPIDEMENT A VOTRE TURBULENT MINISTRE DES AFFAIRES ETRANGERES, ET NOS RELATIONS D’AMITIE, REDEVIENDRONT CELLES D’AVANT ».
Na dia nisy io taratasy fangatahana fanalana azy io tamin’ny toerany ary dia mbola nametraka ny fahatokisany ka namela azy nanohy ny asany teo anivon’io ministera ihany ny Jeneraly ka nahatongavana tamin’ny fanafoanana tanteraka ireo fifandraisana amin’ny sehatra maro teo amin’i Madagasikara sy la Frantsa ny datin’ny taona 1973.
RANGERS TSIHALIGNO