» Ny T A N T A R A tsy F A N A D I N O «
Indro ary ny Tantaran’ny Nanotana Fady an’imerina:aoka tsy hisy ho tohina fa Lesona no tsoahy ao anatiny:
Ny 28 Febroary 1897 no nalefa sesintany ny Faravavimanjaka,ny antony dia tsotra:Raha mbola eo ny dimbin’imboasalama dia hahery foana ny Menalamba ary vao maika hirongatra.Dia nalefa sesin-tany izy,tany La Réunion.
Tamin’io fotoana nandefasana an-tsesintany an-dRanavalona III io nefa dia mbola tavela tao Ambohimanga avokoa ny taolambalon’ireo mpanjaka taloha teto Imerina.Noraisina ho toy ny toerana masina mihintsy Ambohimanga ka tsy izay rehetra ta hiditra ao akory dia tafiditra,ary toerana masina koa ho an’ny Menalamba satria tao no nakana ny tany masina hanaovana tsitsika sy velirano:io ilay antsoina hoe VOKAKA.
Talohan’ny nahatongavan’ny Frantsay teto dia efa nanana fahalalana ny Fomba sy Tantara ary ny toetoetrin’ny mponina teto izy tamy ny alalan’ireo mpitondra fivavahana nanao tatitra tsy tapaka.Fantany tsara fa noraisin’ny mponina ho toy ny manan-kery hiaro,eny fa na dia niamboho aza ireo mpanjaka taloha,Fantany koa fa manankasina eo amy ny vahoaka ny mpanjaka na mbola velona na efa niamboho,ka ny tany ilevenany dia tany masina.
Ny tany kely nalainy tao amin’io toerana nisy ny Razan’Andriana io dia nataony ho ody mpiaro azy teo amy ny fotoan-tsarotra,ary ny nahitana izany dia tamy ny fitsanganan’ny Menalamba.
Nanantena ireo miaramilan’ny Tia Tanindrazana fa ho fiadiana hahazoany fandresena mora ny fitondrana ny vovoka azony avy ao.
***15 oktobra 1897 dia nopotehin’i Jeneraly Gallieni koa ny fitokisana nananan’ny vahoaka rehetra ny zava-masina teo Ambohimanga: » Tamin’io andro io mantsy no nasain’ity solotenan’i Frantsa ity hafindra ho eny Manjakamiadana(Anatirova)ny taolambalon’ANDRIAMBELOMASINA,Ny an’ANDRIANAMPOINIMERINA,ny an-dRANAVALONA I sy RANAVALONA II,sy ireo mpanjaka hafa kelikely Laza ».
Nolazain’i P.Malzac ao amy ny bokiny fa »natao tamim-boninahitra tokoa io famindrana ny taolambalon’ny Razan’andriana avy eny Ambohimanga io,satria araky ny hevitry ny mpanao poltika dia tsy tokony atao izay hampalahelo ny Tia Tanindrazana.
***Voalaza ihany koa fa niara-nomem-boninahitra tamin’ireny koa ny Taolambalon-dRAKOTOTSEHENONDRADAMA(Radama II) izay nalevina toy ny olona tsy ahoan-tsy ahoana tetsy Ilafy ary nokosehina tsy ho mpanjaka.Ao amy ny fasana avaratr’i Manjakamiadana no nanitrihana ireo Faty ireo tamim-panajana lehibe.
***Nofoanana koa ny Fandroana ary natambatra tamy ny fetim-pirenena Frantsay ny 14 Jolay.
Hafa dia hafa noho izany ny Fitantaran’i J.Carol satria nolazainy fa « Nisetrasetra tokoa tamin’ireo Razana ireo iraka Malagasy sy miaramila Malagasy nalefa teny Ambohimanga »
1-Jéanne Rasoanasy:Menalamba sy ny Tanindrazana
2-Pére Malzac:Histoire de la Royaumme Hova
3-J.Carol:Chez les Hovas
4-Gazety Vaovao:2 aprily 1897 by Jr Ifalina
[Sary nindramina]




